• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Alahamadibe : Fanandratana ny tena Fomba Malagasy ny teny Ankazomalaza Ambohimanga

31/03/2025 19:27 © Moov

Nifarana tamin’ity 31 marsa ity ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy Alahamadibe teny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Nakotroka ny lanonana ary tonga maro ireo avy any amin’ny toerana maro, indrindra ireo malagasy izay tena mbola mandala ny fomban-drazana. Nentina tamin’ny alalan’ny fanomezan-kasina ny fomba malagasy isan-karazany ny fankalazana.

Fidiovana

Ahitana doany maro eny Ankazomalaza Ambohimanga. Ao anatin’izany ny an’i Rakotomaditra, Ravola, Dadilahy Andriamisara, i Dadabe Andrianampoinimerina, i Nenibe Rasoavololona sy ireo maro hafa. Alohan’ny lanonana rehetra dia nidio ireo mpanatrika rehetra, teny amin’ny ranon’ny Doany izay nanatonany. Fotoana iray natao hanalana ny ratsy rehetra eo amin’ny fiainana izany fidiovana izany. Natao ihany koa izany mba hanalana ireo fanahy ratsy ao anaty. Tanjona amin’izany dia mba hahafahan’ireo Malagasy ireo miditra am-pahamarinana sy am-pahadiovana amin’ny taona vaovao.
Marihana fa samy manana ny hery entiny avy ireo doany ireo ka arakarak’izay no anatonan’ireo olona izay mitady ny fahasoavana ilainy avy. Ho an’ny androany, teo amin’ny « rano iraisana » no tena be olona. Ny nanotrona ny lanonam-pankalazana ny Taombaovao Malagasy Alahamadibe mantsy no tena nimasoana.

Fitokanana ny lapan’Andrianampoinimerina

Isan’ny ivon’ny fankalazana tamin’ity alatsinainy ity ihany koa ny fitokanana ny lapan’i « Dadabe Andrianampoinimerina ». Trano masina izy io ho azy ireo. Taorian’ny fandraisam-pitenenana samihafa dia novohaina ny lapa. Ho ampiasaina amin’ny « lapabe » sy ny « valabe » fangataham-pitahiana, toy ireo toerana fanasinana rehetra ihany koa izy io aorian’izany.
Tamin’ity anio ity dia efa nisy ny karazana fomba maro samihafa notanterahina tao anatiny. Teo ny fampirehetana labozia ho fanomezan-kasina ny toerana sy ny fanolorana vatomamy ho an’ireo razana izay nivavahan’izy ireo.
Tsara ny manamarika fa ny fikambanana « tsy mamorona fa mamelomaso » no nitarika ny fotoana sy nanolotra ny hevitra tamin’ny fanarenana ity lapa ity. Teo anilan’izy ireo ny fanampiana samihafa avy amin’ireo malala-tanana samy mandala ny fiomba malagasy eny an-toerana.

Fanehoana hafaliana

Tamin-kafaliana ihany koa ny nandraisan’ireo mpanatrika ny fisokafan’ity toerana ity. Maro ireo seho fanehoana izany hafaliana izany. Teo ny vakisôva izay notarihin’ny Olobe, mpitarika teo an-toerana. Tao anatin’ny tononkirany no nanolorany tsodrano ireo mpanatrika isan-karazany.
Teo ihany koa ireo dihin’ny ntaolo izay nandraisan’ireo lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny Fikambanana « tsy mamorona fa mamelomaso » anjara. Nanaraka teny hatrany ny mpively aponga, mpitendry valiha sy angorodao, hanomezana aina ny fotoana.

Fafy rano sy vono omby

Nentina namaranana ny fotoana dia nitso-drano ireo mpanatrika rehetra ny Olobe. Nohamasininy tamin’ny alalan’ny vavaka amin’ireo razana samihafa ny rano ary iny no nentina nanamasinana ireo olona teo. Fotoana lehibe amin’ny Malagasy io fotoana io ka tsy hatao ambanin-javatra mihitsy. Rehefa samy mahazo rano ny tsirairay dia tsy hadinoina ny misaotra ireo mpitso-drano.
Taorian’izany rehetra izany ny famonoana omby. Mananjina mantsy ny omby amin’ireo Malagasy ireo ka izay indrindra no antony hampiasana ity biby ity. Tsofina rano ihany koa izy alohan’ny hamonoana azy mba hitondra hery sy hasina ho an’ireo olona rehetra manatrika eo. Tamin’ity taona ity, raha ny fanazavana dia omby miloko mena no nampiasaina satria « izay no hafatra » avy amin’ireo fanahy.
Rehefa izany dia ny vatan-dehilahy matanjaka ihany koa no manao ny heriny mba handavo ilay omby amin’ny tany. Fatorana mafy ny tongony sy ny tanany ary didiana amin’izay ny tendany. Eto dia manatanteraka fomba indray izy ireo. Ariana amin’ny tany ilay rà mba ho fanomezan-kasina ny tany izay nipoirana ary tatazana amin’ny lovia ny sasany. Ahosotra amin’ny andrina izany, izay midika fa afaka miditra ny fanahy satria io no vavahady natao ho azy ireo, ao anatin’ny tsirairay.
Ny henan’io omby io hatrany no nozaraina tamin’ireo mpanatrika maro be ho nofon-kena mitam-pihavanana sy hanomezana hasina ny fiankaviana izay hihinana azy.

Lire la suite

Articles Similaires