MIAMI ao Toamasina : Hiova ho « TaMatavy 501 » ny anarana hiantsoana azy
Nankatoavin'ny filàn-kevitry ny minisitra, omaly 31 marsta 2026, ny fanovana ny anaran'ny MIAMI any Toamasina ho TaMatavy 501. Mifandraika kokoa amin'ny tantaran'ity renivohitra Betsimisaraka ity izany fiantsoana vaovao izany, araka ny fanazavan'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana.
Veliranon’ny fitondrana teo aloha
Iray amin'ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra faharoan'ny governemanta Rajaonarison, izay notontosaina omaly teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, ny fanovana ny anaran'ny toeram-pitsangatsanganana sy fialam-boly antsoina hoe : MIAMI ao Toamasina. Isan'ny tetikasa lehibe najoron'ny fitondrana Rajoelina izy ity, raha tsiahivina, ary iray amin'ireo "Velirano" novoiziny nandritra ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2018.
Nanapa-kevitra kosa izao fitondrana Fanavaozana izao, fa mendrika kokoa hiantsoana ity fotodrafitrasa miorina eo amoron-dranomasin'i Toamasina ity ny anarana hoe : TaMatavy 501. Araka ny fanazavan'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, dia teny roa natambatra no nahazoana io anarana io. Ny "Ta" dia nosintonina avy amin'ny hoe : "Tanàna" ary ny "Matavy" dia anaran’ny mpanjakavavy Sakalava, zanaka vavin-dRamahazoky, izay lasa vadin-dRatsimilaho, mpanjakan’ny Betsimisaraka. Anarana ahafantarana an'i Toamasina rahateo sady mbola be mpampiasa ny hoe : "Tamatave". Ny 501 kosa dia "code postal" an'i Toamasina renivohitra, izay mifandraika amin'ny Distrikan'i Toamasina I.
Fiverenana amin'ny fototra
"Tsy fanovana anarana fotsiny, fa fiverenana amin'ny fototra" ity fanapahan-kevitra ity, araka ny nambaran'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana. Rehefa napetrak'i Ratsimilaho tao Toamasina mantsy i Matavy, dia nomeny toerana ambony sy tany. Teo no niandohan'ilay anaran-tanàna hoe : Tamatavy, izany hoe : tanànan'i Matavy. Teo anelanelan’ny taona 1700 ka hatramin’ny taona 1770 no nitrangann'izany tantara izany. Raha tsiahivina dia hatrany am-piandohana no efa niteraka resa-be ny fananganana ity fotodrafitrasa MIAMI ity. Fampanan-tenan’ny filoha Andry Rajoelina, tamin’izany, ny hanangana fotodrafitrasa mitovy endrika amin’ilay tanàna antsoina hoe Miami any Etazonia. Taty aoriana dia nambara fa “Miray Hina Ary Mifankatia” indray no dikan’ity hoe : MIAMI ao Toamasina ity. Ny 15 jona 2024 moa no notokanan’ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ôfisialy, ity fotodrafitrasa ity.
Isan’ny fanovana nambaran’ny minisitra Rafaralahy “Lily” Lucie Vololoniaina fa hotanterahina kosa, raha vao nandray ny fitantanana ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana izy, ny hanovana izany anarana izany. Nandritra ny dia voalohany notanterahiny tany Toamasina, tamin’ny volana desambra 2025, no nanambarany izany. Nisy ny kômity, nahitana solon-tenan’ny vondrona samihafa, nandinika izay anarana sahaza ho an’ity fotodrafitrasa ity. Tanteraka izany, ankehitriny. Tanjona ny hamelomana ny tantara, ny hampahatsiahy ny fiaviana ary indrindra, mba hahatsapan’ny tsirairay indray hoe : « eto no antsika », hoy ny fanazavana.




