« Anovulation » na tsy mivoaka atody : ireo tsara ho fantatra
Ny « anovulation » na « absence d’ovulation » dia tsy fahatomombanana eo amin’ny tsingerin’ny fadimbolana izay mahakasika vehivavy maro mbola anatin’ny taona afaka miteraka. Matetika dia ampifandraisina amin’ny fahamombana izy io nefa dia toe-javatra mandalo sy tsy dia misy ahiana. Fa inona tokoa no atao hoe « anovulation » ? Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra.
Inona no atao hoe « anovulation » ?
Ny « ovulation » dia ny fotoana mahalonaka ny vehivavy. Izany hoe amin’io fotoana io no mamoaka atody matoy ny « ovaire » ka io atody io no mitambatra amin’ny tsirin’aina. Eo amin’ny vehivavy manana tsingerin’ny fadimbolana « régulier » dia indray mandeha isam-bolana no misy « ovulation », eo amin’ny 14 andro mialohan’ny fiantombohan’ny fadim-bolana manaraka. Raha tsy mamoaka io atody io ny « ovaire » dia izay no atao hoe « anovulation ». Izany hoe tsy afaka ny hitoe-jaza ilay vehivavy mandritra io « cycle menstruel » io.
Inona no antony mety mahatonga ny vehivavy tsy mivoaka atody ?
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny « anovolation » na hoe tsy mivoaka atody. Anisan’izany ny hoe :
-Mikorontana ny hormonina ;
-Efa akaiky ho « ménopause » ilay vehivavy ka miverina matetika ny « anovulation » ;
-Mahia loatra na matavy loatra ka lasa mahatonga fikorontanan’ny hormonina ;
-Rarintsaina maharitra. Mety manakorontana ny « hypothalamus » izay faritra mandrindra ny « ovulation » ny rarintsaina ;
-Manao fanatanjahanetena na mampiasa vatana be loatra matetika ;
-Mihinana fanafody mety manelingelina ny « ovulation », toy ny « antidépresseurs »…
Ireo mety ho fisehon’ny « anovulation »
Anisan’ireo fambaran’ny « anovulation » ny :
-Fikorontanana na ny tsy fandehanan’ny fadim-bolana ;
-Fandehanan’ny rà tsy ara-dalàna, mety hoe mandeha be rehefa tonga fotoana na hoe misy rà mandeha ivelan’ny fadim-bolana ;
-Tsy fisian’ireo fambaran’ny « ovulation », toy ny hoe mararirary ny kibo, miova ny « glaire cervicale » ;
-Fahamombana.
Fitsaboana ny « anovulation »
Miankina amin’ny anton-javatra mahatonga azy ny fitsaboana ny « anovulation » :
-Manova fomba fiaina. Mety mila manena vatana na manatavy tena, mampihena ny rarintsaina, manova ny fampiasana vatana mba hampiverina ny « ovulation » ;
-Manao « traitement hormonal ».
Misy ihany koa ireo karazana sakafo tsara hoanina hanatsarana ny famokarana atody ka anisan’izany « algues », ranon’apango, papay, yaourt sy chocolat, voatabia hazo, « baie de goji »… Tsy mahasolo ny fitsaboana omen’ny mpitsabo ireo sakafo voalaza ireo fa manampy fotsiny ihany.