• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Whule Symphony Orchestra
Image
Madagasikara

Monastère de Xizu Andranovelona : Miaro ny tontolo iainana sady mitondra fampandrosoana ireo Moines Bouddhistes

15/03/2025 04:16 © Moov

Sinoa manolo-tena amin'ny fivavahana Bouddhiste no mandray anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy fampandrosoana manerana izao tontolo izao.

Anisan'ireo firenena iasan'ireo Moines Bouddhistes ny eto Madagasikara, ka ny fizarana ny fomba fisainana Bouddhiste sy ny kolontsaina tatsinanana amin'ny alalan'ny Mozika no tena hahafantarana azy ireo. Tamin'ny taona 2019 no nanomboka tonga teto Madagasikara ireo Pretra sy Masera bouddhistes. Ny taona 2021 kosa, natombok'izy ireo ny fanamboarana ny "Temple de Xizu" Andranovelona, izay fiangonana bouddhiste tokana eto Madagasikara. Mampiavaka ireo Moines ao an-toerana ny fitafiana nentim-paharazana sinoa mirebareba sy ny loha sola, na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy.

Miaina sy misitraka ny natiora

Teboka lehibe amin'ireo Bouddhistes ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy mahazo mamono biby na manimba ala izy ireo. Noho ny filàna isan-karazany nefa, ohatra tamin'ny nanamboarana ny Monastère, dia tsy maintsy nampiasa hazo. Noho izany indrindra, efa manana programa manokana amin'ny fambolen-kazo izy ireo. Tsara ny manamarika fa marobe ireo hazo maniry ao amin'ny faritry ny Monastère. Betsaka zaridaina mahafinaritra ihany koa ao an-toerana. Amin'ny finoana Bouddhiste, ny olona mankafy sy manaja ny natiora no mora mahita fiadanana. Tsy azo adino mantsy fa avy amin'ny natiora no hisitrahana ny sakafo rehetra.
Ohatra tsara ho an'ireo mponina manodidina ihany koa ny fambolen-kazo, satria anisan'ny fanentanana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Tsara ny manamarika fa misy ireo olona tonga eny an-toerana no manolotra voninkazo na mamboly hazo mihitsy.

Mitondra fitiavana, fiadanana sy fandriampahalemana

Anisan'ireo antony nahatongavan'ireo Bouddhiste tarihan'ny Chan Shi Wule ny fahitana ny fahataran'ny fampandrosoana aty Afrika, ka tafiditra ao anatin'izany i Madagasikara. Azo itondrana anjara biriky tokoa mantsy ny fizarana ireo fomba fisainana atolotry ny fivavahana Bouddhiste. Tafiditra ao anatin'izany ny fifankatiavana, ny fiadanana sy ny fandriampahalemana. Tsy terena hivavaka amin'ny teny tsy hainy sy hanaraka fombafomba maro nefa ireo olona tiana entanina, na dia ampahafantarina toro maro aza. Azo idiran'ny rehetra ny "Temple de Xizu" na dia tsy hivavaka aza no aleha ao. Ireo Moines no tsy maintsy manaraka fepetra maro, fa ny olona tsotra mpitsidika kosa tsy voatery hanao izany. Misy tompon'andraikitra manoro kosa ireo dingana rehetra tokony atao, raha te hangata-pahasoavana amin'ireo Bouddha ao an-toerana.
Na dia tsy mivoaka ny Monastère aza ireo Moines rehetra, marobe ireo Malagasy miasa ao an-toerana. Ireo olona mifanerasera amin'izy ireo no mizara amin'ny manodidina azy rehefa mahatsapa ny fandraisana tsara sy ny fiadanan-tsaina amin'ny fiainana andavan'andro. Miitatra amin'olona maro araka izany ny fitiavana, fiadanana sy fandriampahalemana.

Mizara ny soa

Tsy voatery manolotra zavatra na vola akory raha mahazo fahasoavana ao amin'ny Temple de Xizu. Ny fizarana tsiky sy ny fanasoavana ny manodidina dia efa zava-dehibe. Amporisihana mihitsy ireo te hahazo fahasoavana mba hazoto hanao soa amin'ny hafa.
Ampiasaina ihany koa ny mozika mba hizarana ny soa sy ny tsara indrindra. Miangaly mozika mandona ny ati-fanahy ny Wule Symphony Orchestra (Jinghui Guangxuan Symphony Orchestra). Mpitendry zava-maneno sy mpihira no miombona mandrotsirotsy ireo mpijery.

"Méditation musicale" izany no atolotra mba hahatsapa fifaliana sy fiadanam-po ny rehetra. Rehefa misinda avokoa ireo ahiahy sy vesatra entin'ny olona iray mantsy, mazoto mifandray sy mifanampy amin'ny mpiara-belona aminy izy.


Copyright Image : © WSO

Lire la suite

Articles Similaires