Fahasalamana : inona no fiantraikan’ny « potassium » be loatra ao amin’ny vatana ?
Mineraly iray mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiasan’ny vatana ny « potassium ». Mila fatra antonony amin’izy io ao anaty rà mba ahafahan’ny fo sy ny hozatra hiasa ara-dalàna. Raha lasa be loatra ny « potassium » ao anaty rà dia izay no atao hoe « hyperkaliémie ». Ity farany dia mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana ary mety mahafaty.
Ireo antony mahatonga ny « potassium » ho lasa be loatra anaty rà na « hyperkaliémie »
Maro ireo anton-javatra mety mandrisika ny tahan’ny « potassium » anaty rà ho lasa avo loatra, anisan’izany ny :
-« Insuffisance rénale ». Ny voa dia manana anjara asa lehibe amin’ny fanesorana ny « potassium ». Raha manao « insuffisance rénale » ny olona iray dia lasa tsy miasa tsara ny voa ka mahatonga ny « potassium » hiangona be anaty rà.
-Fanafody sasany, toy ny « anti-inflammatoires non stéorïdiens (AINS)…, dia mety mampitombo ny fatran’ny « potassium » ;
-Fihinanana be loatra sakafo be « potassium » indrindra eo amin’ny olona manao « insuffisance rénale » ;
-Fahasimbana « cellules » maro vokatry ny fahamaizana (brûlures), ratra mafy… izay mamoaka « potassium » be mankany amin’ny rà ;
-« Maladie d’Addison » izay aretina iray mahavoa ny voa ka miteraka fihenan’ny famokarana « aldostérone ». Ity farany dia hormonina mandrindra ny tahan’ny « potassium » anaty rà.
Ireo mety ho fiantraikan’ny « hyperkaliémie »
Tsy voatery mitovy ireo fambara sy fisehon’ny « hyperkaliémie ». Miankina amin’ny « gravité » an’ilay habetsahan’ny « potassium » be loatra ao anaty rà ny fiantraikan’izany. Raha tsy be loatra ilay fatra mihoatra dia mety tsy hisy fambara na tsy dia ho tsikaritra loatra ny « hyperkaliémie ». Raha « sévère » kosa nefa izy io dia mety mahatonga :
-Olan’ny fo na « troubles cardiaques » izay manakorontana ny fitempon’ny fo. Izany hoe lasa mihamalemy ny fidoboky ny fo ary mety hijanona tampoka (arrêt cardiaque) ;
-« Faiblesse musculaire », izany hoe lasa malemy ny hozatra, misy « crampes » na koa « paralysie » ;
-Fikorontanan’ny fandevonan-kanina mety miseho amin’ny maloiloy, mandoa na koa mivalana ;
-Manakotsatsako sy mamolivoly ny rantsana.
Raha mahatsapa na mahatsikaritra ny iray na ny maro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo mba hahazo ny fandraisan-tanana sahaza.
Fisorohana ny « hyperkaliémie »
Mba hisorohana ny fihoaran’ny « potassium » ao anaty rà na ny « hyperkaliémie » dia ilaina ny :
-Manaramaso matetika ny tahan’ny « potassium » ao anaty rà, indrindra ho an’ireo olona atahorana hanao azy io, toy ireo manao « insuffisance rénale », mihinana fanafody mety mampiakatra ny tahan’ny « potassium » … ;
-Mitandrina ny sakafo. Mila ferana ny fihinanana sakafo manankarena « potassium » raha manana olana amin’ny fahasalaman’ny voa toy ny « insuffisance rénale » ;
-Fahamailoana amin’ny « interactions médicamenteuses », izany hoe raha efa misy fanafody hoanina nefa misy hafa ampidirina hitsaboana aretina hafa. Izany mba hisorohana ny fifangaroan’ny fanafody izay mety mitarika « hyperkaliémie ».