Sakafo tsy voatahiry tsara : ireo aretina mety ho aterak’izany
Fahafinaretana ny misakafo, saingy mila fahamaloana hatrany izany. Rehefa tsy voatahiry tsara sy amin’ny fomba ara-dalàna tokoa mantsy ny sakafo dia lasa toerana hiangonan’ireo « micro-organismes » tsy hita maso sy mampidi-doza ho an’ny fahasalamana. ‘Ndeaha ho resahana eto ireo aretina mety ho azo avy amin’ny sakafo ratsy tahiry sy ny fomba hisorohana izany.
Inona no maha zava-dehibe ny fitahirizana sakafo ?
Ny ankamaroan’ny bakteria dia mitombo isa haingana dia haingana rehefa eo anelanelan’ny 4°C sy 60°C ny maripana. Io no antsoina hoe « zone de danger » na faritry ny loza. Ny bakteria iray monja dia afaka mitombo ho an-tapitrisany ao anatin’ny ora vitsy amin’io maripana io. Ny tsy fahampian’ny fitahirizana (fiakarana ny maripana, fitehirizana maharitra loatra, na ny hamandoana) dia manova ny sakafo mahasalama ho lasa poizina ho an'ny vatana.
Ireo tsimokaretina fototry ny aretina
Misy karazany roa ny aretina azo: ny fifindran’ny otrikaretina (ny tsimokaretina mihitsy no miditra ao amin’ny vatana) sy ny fanapoizinana ara-tsakafo (ny tsimokaretina no mamokatra poizina ao anatin'ilay sakafo nohanina). Misy karazany maro moa ireo tsimokaretina mety ho azo avy amin’ny sakafo tsy voatahiry tsara, ka anisan’izany ny :
-« Salmonelle ». Ny atody manta, akoho amam-borona ary ny ronono tsy nampangotrahina no mety hahazoana azy io. Anisan’ny soritr’aretina mety mitranga ny tazo, fivalanana, fanaintainan’ny kibo.
-« Listeria ». Ny hena voahodina (charcuterie), fromazy vita amin’ny ronono manta no mety mitarika azy io. Raha tratr’ity aretina ity dia mety hanavy, harary an-doha… Mampidi-doza ho an’ny vehivavy bevohoka moa ny « listeria ».
-« Campylobacter ». Tsimokaretina azo avy amin’ny henan’akoho tsy masaka tsara na maloto. Mitarika fivalanana izay matetika misy rà.
-« Staphylocoque doré ». Avy amin’ny sakafo efa vita nikasihan-tanana, "crèmes pâtissières".Marary kibo sy mandoa be (2 hatramin'ny 4 ora aorian'ny nisakafoana) ny marary.
Ireo famantarana mampitandrina
Tsara ny manamarika fa ny sakafo misy tsimokaretina dia tsy voatery hiova fofona, na tsiro, na endrika. Na izany aza, misy famantarana sasany tokony hitandremana:
-Boatin-tsakafo mibontsina tsy ara-dalàna na mitsifotra mivoaka rivotra be rehefa sokafana.
-Fofona maimbo na maimbo "ammoniac" (indrindra ny hena sy ny trondro).
-Misy zavatra malama madity mandrakotra ny « charcuterie ».
-Misy bobongolo (tandremo fa tsy ampy ny fanesorana fotsiny ny faritra misy bobongolo satria mety efa niditra lalina anatin’ilay sakafo ny poizina).
Ireo fitsipika tsara arahana ho an’ny fitahirizana sakafo azo antoka
Mba hiarovana ny fahasalamana dia ireto manaraka ireto ny fomba tsotra nefa mahomby tokony hitahirizana ny sakafo :
-Tandremana tsara ny hatsiaka : Ny vata fampangatsiahana dia tokony ho eo anelanelan’ny 0°C sy 4°C ny maripanany.
-Manaja ny fitsipiky ny 2 ora : Tsy avela ho amin’ny maripana tsotra mihoatra ny adiny roa ny sakafo mora simba (ambin-tsakafo, hena, ronono).
-Sarahana ny manta sy ny masaka : Mampiasa ny fitoeran-javatra mihidy tsara mba tsy hifindran’ny tsimokaretina ao anaty vata fampangatsiahana.
-Fampangatsiahana haingana : Tsy ampidirina avy hatrany ao anaty vata fampangatsiahana ny sakafo mbola mafana be (mampiakatra ny maripanan’ny sakafo hafa izany), saingy tsy avela hihamangatsiaka tontolo andro eo ambony latabatra koa nefa. Zarazaraina ho kely ny sakafo mba ho mangatsiaka haingana kokoa.
-Ariana avy hatrany ny sakafo raha misy mampisalasa ny endriny, ny fofony…



