Paingotra : Fiarovan-tena amin'ny ody ratsy
Mirongatra ny asan-jiolahy eto Antananarivo, na andro na alina, na eny an-dalana na any anaty fiara fitaterambahoaka. Matetika dia toa tsy tonga saina ilay voaendaka raha tsy efa lasa lavidavitra ny mpanao ratsy. Tsy vitsy ihany koa ny olona misy misompatra tsotr'izao.
Amin'ny ankapobeny, tsy hakingan-tanana ihany no ampiasain'ireo mpanendaka. Tsy vitsy ireo mampiasa ody ratsy toy ny "fandraikiraikena" sy ny "masobe tsy mahita". Toa tsy re akory ny tanany miditra anaty kitapo na poketra. Misy kosa ireo mamao sinto-mahery toy izao, nefa tsy mahatohitra sady toa tsy mahahetsika izany ilay voaendaka.
Paingotra, manohitra ny odin'ireo tontakely
Torohevitra matetika heno ny hoe "asio paingotra anaty poketra na kitapo dia tsy hisy hangaro-paosy izany". Heverin'ireo Ntaolo Malagasy mantsy fa manan-danja manokana ny Paingotra. Manohitra ody ratsy izy io, ka azo apetraka amin'ny kitapo entina na eo ambany vozon'akanjo na amin'ny valahana pataloha/ zipo ny Paingotra. Azo andramana tsara izany isaky ny hivoaka ny trano, na handeha hiasa/ hianatra, na handeha hiantsena.
Tsy midika akory hoe afaka mandeha amina toerana efa fantatra fa be olon-dratsy na hampideradera zava-tsarobidy eny an-dalana hitsapana ny herin'ilay paingotra.
Fiarovantena
Tsy natao hiarovana ny fananana ihany ny Paingotra, fa azo iarovam-batana ihany koa. Azo asiana paingotra any amin'ny vatana raha toa ka hanatrika fivoriana na handeha amina fiaraha-misakafo iarahana amina olona na vondron'olona mampiahiahy. Voalaza ihany koa fa manampy amin'ny fiarovan-tena amin'ny mosavy isan-karazany toy ny voakanina sy ny raodia ny paingotra.
Araka ny lovan-tsofina, mitampody any amin'ny mpanao ratsy ny ratsy ataony fa tsy tonga any amin'ilay tiany anaovan-dratsy. Azo atao haingona "bracelet" na "colier" ihany koa ny paingotra raha kelikely no ampiasaina.
Marihana fa paingotra vaovao no ampiasaina. Lomana ranom-boasary makirana izy io mialoha ny hampiasana azy.