• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « cake aux fruits frais »

16/09/2026 16:27 © Moov.Mg

Anisan’ny firenena manankarena voankazo isika. Maro ireo karazana voankazo vaovao na « fruits frais » hita eny an-tsena eny azontsika ampiasaina atao tsindrin-tsakafo sy hikarakarana sakafo maro samihafa. Ho an’ireo mankafy mikarakara mofomamy, azo atao sakafo maraina na « goûter » ho an’ny ankizy, dia atoro eto ny fomba tsotra fanamboarana « cake aux fruits frais ». Somary miala amin’ny « cake aux fruits confits » mahazatra izy ity nefa dia tena matsiro tokoa. Araho ary ny fikarakarana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « cake aux fruits rouges »

-Voankazo vaovao mifangaro 200g ;
-Lafarinina 200g ;
-Dibera malemy 125g ;
-Siramamy 120g ;
-Sucre vanillé 1 fonosana ;
-Atody 3 ;
-Lalivay simika 1 fonosana ;
-Sira iray tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana

Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Hosorana dibera ny lasitra fanaovana « cake ».
Miditra amin’ny fikarkarana ny « pâte ». Atao analy lovia jobo lehibe ny siramamy, sucre vanillé sy ny dibera malemy. Kapohana miaraka mandra-pahazoana fangaro fotsy sy malefaka.
Arotsaka tsirairay ao anatin’ny « pâte » ny atody. Afangaro tsara isaky ny mampiditra iray.
Tatavanina eo ambonin’io fangaro io ireo akora maina, izany hoe ny lafarinina sy ny lalivay. Asiana sira kely avy eo afangaro mandra-pahazoana « pâte » malama.
Karakaraina ny voankazo vaovao. Esorina ireo voankazo malemy na masaka loatra satria mitera-drano. Sasana malaky anaty « passoire » avy eo avela hitsiaka. Tsy azo atao milona rano. Apetraka tsirairay eo ambony « papier absorbant » na lamba maina madio. Somary petapetahana amin’ny lamba ho afaka ny hamandoana.
Tetehana « en dés » mitovy tantana ny voankazo avy eo ampandalovina anaty lafarinina mba ho lasa mifono fotsifotsy. Izany dia mba hahatonga ireo voankazo tsy hilentika any ambanin’ny lasitra. Avy eo arotsaka moramora anatin’ny « pâte » ny roa ampahatelon’ny voankazo ary afangaro moramora.
Arotsaka anatin’ny lasitra ny « pâte ». Apetraka eo amboniny ny ambin’ny voankazo. Avy eo andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 40 hatramin’ny 45 minitra. Rehefa masaka dia avela hangatsiaka 10 minitra alohan’ny hamoahana azy amin’ny lasitra.

Lire la suite

Articles Similaires