• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Madagasikara

Fomba malagasy : Ireo fomba sy fady ao amin’ny Rovan’Ambohidrabiby

12/03/2025 16:19 © Moov

Iray amin’ireo vohitra manan-kasina miisa 12 eto Imerina ny toerana misy ny Rovan’Ambohidrabiby. Azo lazaina ho isan’ireo vohitra hajain’ny Malagasy sasany sy hangatahan’izy ireo fitahiana amin’ireo razana io toerana io. Amin’ny maha-toerana manana ny hasiny azy dia manana ny fomba sy ny fady tokony hajaina ny eny an-toerana.

Tsy maintsy midio

Toy ny mahazatra ireo olona efa mpandala ny fomban-drazana sy ireo efa zatra mangata-pitahiana dia ilaina ny midio mialohan’ny hiakarana ny lapa. Raha ny fanazavana avy amin’ireo mpiandry lapa dia isan’ny zavatra tsy maintsy tanterahina izany. Ahitana toerana roa hahafahana midio eny Ambohidrabiby dia ny eny Andohamandry sy ny eny Andohalo. Azon’ireo olona izay hangata-pitahiana hatao ny misafidy ny toerana hidiovany amin’ireo roa ireo.
Nanazava kosa anefa ireo mpiandry lapa fa tsaratsara kokoa raha hitady vahaolana sy hanala ny ratsy dia eny Andohalo no mandeha. Rano tsipaka mantsy ny eny ka tokony tsipahina na esorina eny ny ratsy rehetra avy any amin’izay niaingana. Etsy ankilany kosa, raha hangataka fahasoavana na fitahiana dia eny Andohamandry no midio sy manao ny fandroana. Ankoatra izay anefa dia samy manana ny safidiny ihany ny olona rehetra.

Misy fady hajaina sy tandrovina

Aorian’ny fidiovana dia miakatra eny amin’ny lapa amin’izay ireo hangata-pitahiana. Toerana manan-kasina izy io ka vao miditra ny vavahady dia efa tokony manala kapa. Eo amin’ny fasan-dRalambo, Rabiby ary Rasendrasoa kosa no hanatanterahana ny fangataham-pitahiana sy ny vavaka. Amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ireo mpiandry lapa dia ny fasan-dRalambo no tena maro mpitsidika sy mpangata-pitahiana.
Mila mitondra fanasina kosa anefa ireo olona hivavaka. Ao anatin’izany ny siramamy, sira, vatomamy, sy ireo maro hafa. Raha tsiahivina ny fanasina dia fanomezam-boninahitra ireo razana izay hangatahana hitahy sy fanantenana ny valim-bavaka hatao eo an-toerana.
Raha ho an’Ambohidrabiby manokana dia tsy ferana izay zavatra tian’ireo mpitsidika entina ao an-toerana, ankoatra ny fady dia ny kisoa. Ny hitambarana kosa dia ny labozia izay hampirehetina mandritra ny fanatanterahana ny fangatahana sy ny vavaka.

Manatitra fankasitrahana

Izay iriana rehetra dia azo hangatahina eo an-toerana avokoa, indrindra ny zavatra tsara. Ao anatin’izany ny harena, vola, zanaka, tokantrano, filaminan-tsaina, fahasalamana…
Aorian’ny vavaka sy ny fangataham-pitahiana dia tokony hanatitra fankasitrahana sy misaotra ireo razana indray. Mandritra izany ny fitondrana zavatra entina hisaorana ireo nanome ny valim-bavaka. Isan’ny lehibe indrindra misy mitondra eny an-toerana ny omby, ny ondry ary ny gisa. Tsy ferana ihany koa izy io fa samy manao izay zakan’ny fahefa-mividiny ny tsirairay. Nanamarika kosa ireo mpiandry lapa fa tsy azo atao ny manao voady tsy ho voahefa mandritra ny vavaka izay hatao.
Tsara ny mampahafantatra fa tsy ny malagasy ihany, raha ny fanazavana no tonga mivavaka eny an-toerana, fa ahitana vahiny avy amina firenena maro ihany koa eny.

Lire la suite

Articles Similaires