• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Provence
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ankizy « myope » na hoe tsy mahita lavitra: ireo fambara tsara fantatra

19/02/2025 11:22 © Moov.Mg

Tsy fahatomombanan’ny fahitana mahavoa olona maro ny « myopie » na ny tsy fahitana lavitra. Matetika moa dia vokatry ny maso lava kokoa noho ny ara-dalàna izy io. Dieny mbola kely dia efa miseho ity olan’ny fahitana ity. Ahoana àry ny ahafantarana ankizy kely voan’ny « myopie » noho izy ireo mbola tsy mahay manazava ny zavatra manelingelina azy ?

Inona ny atao hoe « myopie » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia ny tsy fahitana tsara ny zavatra lavitry ny maso no atao hoe "myopie". Matetika dia manjavozavo ny fahitan'ny "myope" ireo zavatra lavitra ireo ka sarotra aminy ny mamaritra mazava azy. Amin'ny ankapobeny, eo anelanelan’ny faha 6 sy 9 taona ny ankizy tratry ny « myopie » no voamarin’ny mpitsabo ity olana eo amin’ny fahitana ity. Izany hoe rehefa manomboka mamaky teny ny ankizy ka mahatsapa zavatra tsy ara-dalàna na manelingelina eo amin’ny fahitany.
Mety hipoitra aloha be ihany koa nefa io tsy fahatomombanan’ny fahitana io, toy ny hoe vao teraka ilay zaza. Ny fahitana sy fandraisan-tanana mialoha ny « myopie » eo amin’ny ankizy dia manampy betsaka amin’ny famerana azy io tsy hihombo sy mba hanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ilay zaza amin’ny andavanandro. Inona avy ary ireo fambaran’ny « myopie » eo amin’ny ankizy ?

Mikipikipy matetika loatra ny maso

Isan’ireo fambaran’ny « myopie » eo amin’ny ankizy ny fikipikipiana maso matetika loatra. Izany hoe tsy misy zavatra manelingelina ny maso toy ny hoe rivotra, vovoka na bibikely manidina nefa lasa toy ny fahazarana ilay mikipikipy. Ankoatra izay dia mety hakeleziny ny masony sady toy ny mikentrona izy rehefa mijery zavatra lavitra mba hahita tsara kokoa.

Tia manakaiky ny zavatra jereny

Ny ankizy « myope » dia manana fahazarana manakaiky be ny fahitalavitra rehefa mijery izany. Toy izany koa ohatra rehefa mamaky boky na manao « jeux » amin’ny finday dia ampanantoniny akaiky kely izany mba ahitany tsara. Fambara hafa tokony hahamalina ihany koa ny hoe eo am-poton’ny taratasy mihintsy ny tarehiny rehefa manao sary na rehefa manoratra.
Marihana moa fa miseho miandalana ny « myopie » ka mety tsy hahatsapa fanelingelenana be eo amin’ny fahitana ny ankizy. Misy kosa nefa ireo fahazarana, toy ireo notanisaina ireo, izay efa fambaran’ity olan’ny fahitana ity.

Marary an-doha matetika

Mety miteraka aretin’andoha eo amin’ny ankizy ny « myopie », indrindra rehefa miezaka be mandinika sy mamaritra zavatra lavitry ny masony izy. Matetika dia mihamafy io aretin’andoha io rehefa hariva ny andro, toy ny hoe rehefa mody avy nianatra iny. Mety hitaraina ho misy marary eo amin’ny fihirifana na eo amin’ny maso ihany koa ny ankizy manana ity olana ity.

Sahirana mamaky ny soratra eny amin’ny solaitra be

Raha mitaraina tsy mahita tsara ny soratra eny amin’ny solaitra be ny ankizy na koa sahirana mandika ireo zavatra voasoratra eo amin’izany dia mety manana olana amin’ny fahitana lavitra izy izay. Fambara iray mifampiankina amin’izany ihany koa ny hoe tsy maharaka izy any am-pianarana satria tsy mahita ny soratra eny amin’ny solaitra be ka lasa tsy mahazo ny fanazavan’ny mpampianatra.
Raha mahatsikaritra ny iray na ny maromaro amin’ireo fambaran’ny « myopie » voalaza ireo eo amin’ny ankizy dia mila entina manantona mpitsabo maso izy hahafahany misitraka ny fitsaboana hanatsarana ny fahitany.

Lire la suite

Articles Similaires