• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fitaterana mikorisa an-tariby : Hisy fiovana ny fizotry ny fifamoivoizana eo amin’ny Rond-Point Ivandry

06/02/2025 15:44 © Moov

Nitsidika ny asa fanamboarana ny fitaterana mikorisa an-tariby teny Ivandry, androany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, niaraka tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Hisy ny fanavaozana ny fifamoivoizana eo Ivandry, rehefa hampiasaina ity fitaterana ity, raha ny fanazavana.

Fanatsarana ny fifamoivoizana

Tanjona voalohany indrindra nanamboarana ity fomba fitaterana mikorisa an-tariby ity ny fampihenana ny fitohanana lavareny eto Antananarivo. Hanamafisana izay tanjona izay indrindra dia hisy ireo fanovana samihafa ho an’ny mpampiasa lalana eo amin’ny rond-point Ivandry. « Hisy ny lalana vaovao ho sokafana miainga eo alohan’ny fivarotam-panafody ka miakatra avy hatrany any Ivandry fa tsy mandalo rond-point intsony », hoy ny Sekreteram-panjakana, Gerard Andriamanohisoa. Halalaka kokoa araka izany ny fifamoivoizana eo amin’io toerana io rehefa handeha ny zotra volomboasary amin’ity fitaterana vaovao ity. Ankoatra izay dia hisy fotodrafitrasa hiarahana amin’ny mpandraharaha tsy miankina ihany koa ho an’ny mpandeha tongotra. « Hisy ny fiampitan’ny mpandeha tongotra eny ambony, miisa 2,miala eo amin’ny La City mampifandray azy amin’ny Téléphérique eo amin’ny fiantsonana eo Ivandry », hoy hatrany ny fanazavana.

Voahaja ny fe-potoana amin'ny marsa

« Efa mandroso ny asa amin’izao fotoana izao ary heverina fa voahaja ny fe-potoana napetraky ny Filoham-pirenena amin’ny famaranana ny asa amin’ny volana marsa », hoy hatrany ity Sekreteram-panjakana ity. Tao anatin’izany dia nanazava ny tenany fa efa vita hatramin’ny 100% ny asa fanatobiana ireo « cabine » miisa 171 hiasa amin’ity zotra volomboasary ity. Ankoatra izay dia efa mandeha ny fametahana ny tariby hitondra ireo cabine. Miandry ny fahavitan’ny fiantsonana eo Ankorondrano kosa dia vita tanteraka hatramin’ny volana marsa io fametahana tariby io. Nanamarika ity tompon’andraikitra ity fa hisy ny andrana teknika aorian’izany, izay haharitra iray volana hatramin’ny iray volana sy tapany eo ho eo. Ankoatra izay moa dia hifindra hanaraka ny fametahana ny tariby ny « portiques » miisa roa ho fiarovana ny olona amin’ny asa rehetra mandeha.

Lire la suite

Articles Similaires