« Résistance aux antibiotiques » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Tranga mety miseho mandritra ny fitsaboana aretina ny « resistance aux antibiotiques » na hoe tsy andairan’ny « antibiotiques ». Ireto farany dia fanafody fitsaboana amin’ireo otrikaretina avy amin’ny bakteria. Mazava ho azy fa raha tsy mandaitra intsony ny « antibiotiques » dia mety hiteraka fahasarotana ara-pahasalamana na koa hahafaty. Andeha ho resahana eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « résistance aux antibiotiques ».
Inona no atao hoe « résistance aux antibiotiques » ?
Araka izany fiantsoana azy izany, ny « résistance aux antibiotiques » dia ny tsy fandairan’ny « antibiotiques » intsony amin’ny famonoana ny baketeria mahatonga otrikaretina iray. Maro ireo antony mety mahatonga azy io.
-Ny voalohany amin’izany dia ny fihinanana « antibiotiques » be loatra na matetika loatra. Rehefa ampiasaina be loatra ny karazana « antibiotique » iray dia lasa mahavita miaro-tena amin’izany ireo bakteria tiana vonoina aminy ka tsy andairany intsony. Ny antony izany dia satria ny « antibiotiques » dia mamono ny bakteria marefo ka tsy voafongatra ireo bakteria lasa andairany. Raha izany no mitranga dia vao maika mihamafy sy mitombo ireto farany.
-Ny antony faharoa mahatonga ny « résistances aux antibiotiques » ny fanaovana dokotera tena. Izany hoe tsy manantona mpitsabo fa minankinana « antibiotiques » fotsiny rehefa marary. Marihana nefa fa raha tsy mifanaraka amin’ilay otrikaretina ny « antibiotiques » hoanina dia vao maika mety hampatanjaka azy ireo. Ankoatra izay dia mety ho diso ihany koa ny fetran’ny « antibiotiques » hoanina. Raha tsy ampy ny fetra hoanina dia mety tsy hahafaty ireo bakteria sasany ka mahatonga ireto farany tsy andairan’ilay « antibiotique » tokony mamono azy intsony.
Inona no maharatsy ny « résistance aux antibiotiques » ?
Mety mitera-doza ny « résistance aux antibiotiques » satria mety mahatonga ny otrikaretina na ny aretina vokatry ny bakteria ho lasa sarotra tsaboina izany. Raha izany no mitranga dia mety lasa maharitra kokoa ny fotoana hitsaboana teny any amin’ny toeram-pitsaboana, mety hampisy fahasarotana eo amin’ilay aretina tsaboina ary mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana.
Ahoana ny atao hisorohana ny « résistance aux antibiotiques » ?
Maro ireo fitandremana afaka atao mba hisorohana ny « résistances aux antibiotiques ». Anisan’izany ny hoe rehefa ilaina ihany vao mihinana « antibiotiques ». Ny mpitsabo irery ihany moa no afaka mamaritra izany ka fadiana arak’izany ny manao dokotera tena. Tandremana tsara ihany koa mba laniana tsara ny « antibiotiques » omen’ny mpitsabo fa tsy hoe rehefa manomboka mahazo aina dia ajanona izany. Ankoatra izay dia sasana tsara ny tanana alohan’ny hihinana fanafody, tsy zaraina amin’ny hafa ny fanafody nomen’ny mpitsabo, tsy mihinana « antibiotiques » amin’ireo otrikaretina avy amin’ny viriosy toy ny sery sy gripa…