• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo fahadisoana be mpanao mila fadiana

30/01/2025 15:47 © Moov.Mg

Marina fa tsy aretina ny fitondrana vohoka ary afaka miaina tsotra toy ny rehetra ny bevohoka. Mba hitandrovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka nefa dia misy ihany ireo fitandremana vitsy mila fantatra mba tsy hanaonao foana. Araho eto ary ireo fahadisoana be mpanao ka mila fadiana rehefa bevohoka.

Ny fanaovana tsirambina ny sakafo hoanina

Maro ireo bevohoka manao tsirambina ny sakafo hoaniny. Mety izany noho ny tandrevaka, tsy fahampian’ny enti-manana… Marihana nefa fa miantoka ny fahasalaman’ny reny sy zaza ary ny fitomboana ara-dalan’ity farany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja mandritra ny fitondrana vohoka. Ankoatra izay dia misy ireo sakafo mila fadiana, toy ny hena, trondra na atody manta noho izy ireo mety mahatonga aretina toy ny « toxoplasmose » sy ny « listériose ».

Ny tsy firaharahiana ny fanomezana rano ny vatana

Fahadisoana iray matetika fanaon’ny bevohoka ny fanaovana tsirambina ny fisotroana rano. Ny fanomezana rano ny vatana nefa dia tena ilaina mandritra ny fitondrana vohoka mba hisorohana ny fitohanana, ny « infections urinaires », ny fiakaran’ny tosidrà… izay mpahazo ny bevohoka. Averina ombieny fa mila misotro rano tsy latsaky ny 1,5litatra isan’andro ny olona tsirairay, indrindra ny bevohoka.

Ny fisotroana toaka sy fifohana sigara

Misy tokoa ireo bevohoka mbola masahy misotro toaka sy/na mifoka sigara hitantsika eny amin’ny fiarahamonina eny. Fahadisoana lehibe mila fadiana nefa izany satria mety hiteraka vokadratsy eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Na kely aza ny toaka sotroina sy ny sigara fohana dia mety hisy fiantraikany amin’ny fitombon’ny zaza ao an-kibo sy amin’ny fahasalamany. Anisan’ny mety hitranga ny hoe teraka tsy tonga volana ilay zaza, ho tsy ampy lanja rehefa teraka, ho tratrin’ny « syndrome d’alcoolisation fœtale » izay karazana fiankinan-doha amin’ny toaka…

Ny fihinanana fanafody tsy nomen’ny mpitsabo

Maro amintsika no tia manao dokotera tena. Izany hoe raha misy marary amin’ny vatana dia mandeha mividy fanafody tsy mila « ordonnance » eny amin’ny farmasia eny dia mihinana izany fa tsy manantona mpitsabo. Fahadisoana mety mampidi-doza ny fanaovana izany, indrindra raha mitondra vohoka. Mety hahafa-jaza, hahatonga fahasamponan’ny zaza, hiteraka olana ara-pahasalamana eo amin’ny reny na ny zaza… ny fihinanana fanafody tsy mety amin’ny bevohoka.

Tsy fandehanana misafo

Maro tokoa ireo bevohoka minia tsy mandeha misafo mandritra ny fitondrana vohoka. Marihana nefa fa fanaraha-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza izay tena ilaina tokoa ny fisafoana. Mety misy ireo mihevitra fa haitraitra sy fandaniam-bola fotsiny ny fanaovana izany. Rehefa misafo nefa no hanomezan’ny rasazy na ny mpitsabo ireo fanafody, fer, vitamina, vaksiny… miantoka ny fizotry ny vohoka ara-dalàna, na ho an’ny bevohoka na ny zaza ao an-kibo.

Lire la suite

Articles Similaires