Aretina méningite mahavoa ny zaza sy ny ankizy : ireo tsara fantatra
Aretina iray isan’ireo tena atahoran’ny ray aman-dreny sao mahavoa ny zanany ny méningite noho izy mety mahafaty raha tsy voaray an-tanana ara-potoana. Fa inona tokoa moa ny aretina méningite ? Inona no antony hisorohana azy io ary ahoana ny fomba atao amin’izany ?
Inona no atao hoe aretina méningite ?
Ny méningite dia aretina sarotra mahavoa ny « méninges ». Ireto farany dia fonosana manify miaro ny atidoha sy ny tadin'ny hazon-damosina. Aretina isan’ny tena atahoran’ny ray aman-dreny izy io raha mahavoa ny zaza sy ankizy satria mety hamela takaitra mafy.
Misy karazany roa ny méningite. Ny voalohany dia azo avy amin’ny viriosy. Izy io moa no mateti-pitranga kokoa. Ny faharoa dia avy amin’ny bakteria. Ity karazany ity dia tsy dia fahita ary « grave ». Matetika ny méningite virale dia mora sitranina. Ny méningite bactérienne kosa dia mamely mafy ary mety mahafaty anatin’ny 24ora aorian’ny fipoitran’ireo soritr’aretina voalohany.
Inona avy ireo soritr’aretin’ny méningite eo amin’ny zaza?
Mety miovaova ireo soritr’aretin’ny méningite eo amin’ny zaza. Matetika moa dia sarotra fantarina izy ireo. Anisan’ireo fambara tokony hahamailo ny :
-Fanaviana izay isan’ireo soritr’aretina voalohany ;
-Fahasorenana sy fahakizitinana. Mitomany be sy sarotra ampanginina ilay zaza ;
-Matory foana toy ny rera-dava ilay zaza sady sahirana mifoha ;
-Tsy mety minono na misotro solon-dronono ;
-Mandoa matetika ;
-Mivohitra miakatra ny loha malemy ;
-Mihenjana ny hatony ka sahirana izy manetsika ny lohany ;
-Mety hifanintona.
Marihana fa tsy mora hita ireo soritr’aretina eo amin’ny zazakely. Ny fanaviana dia efa mety fambaran’ny méningite.
Fitsaboana sy fisorohana ny méningite eo amin’ny zaza sy ny ankizy
Raha vao manahy fa tratry ny méningite ny zaza na ny ankizy dia mila entina manantona mpitsabo avy hatrany. Ity farany no manao ny fizahana hanamarinana izany amin’ny alalan’ny « ponction lombaire ». Miompana amin’ny fangalana « liquide céphalorachidien » kely, izay tsiranoka manodidina ny atidoha sy ny tadin'ny hazon-damosina, hanaovana fitiliana.
Raha voamarina fa tratry ny méningite ny zaza na ny ankizy dia fantarin’ny mpitsabo ny karazan’izany. Amin’ny ankapobeny dia mampiditra fanafody hiadiana amin’ilay otrikaretina ny mpitsabo ary manara-maso akaiky ny fivoaran’ny aretina sao misy fahasarotana.
Ny fanaovana vaksiny no fomba mahomby indrindra hisorohana ny méningite. Efa misy ireo vaksiny mandaitra amin’ny fiadiana amin’ny sasany amin’ireo bakteria mahatonga ity aretina ity.