« Dattes » : voankazo mitondra vokatsoa maro hoan'ny bevohoka
Voankazo iray mitondra vokatsoa maro hoan’ny fahasalamana ny dattes. Tsara hoanina mandritra ny fitondrana vohoka moa izy ity noho izy manankarena otrikaina maro ilain’ny vatana. Ankoatra izay dia voalaza fa manampy amin’ny fanamorana ny fiterahana ihany koa izy io. Andeha ary ho resahana eto ireo antony tokony hinanana dattes rehefa bevohoka.
Manampy hiadiana amin’ny fitohanana ny dattes
Anisan’ny zavatra mampijaly ny bevohoka ny fitohanana na ny « constipation ». Ny fikorontanan’ny hormonina sy ny fitaovana fandevonan-kanina vokatry ny fitondrana vohoka moa no isan’ireo antony lehibe mahatonga izany. Ny fihinanana dattes dia manampy amin’ny fisorohana sy ny fiadiana ny fitohanana rehefa bevohoka. Ity voankazo ity dia manankarena fibra izay manatsara ny fiasan’ny tsinay sy ny fandevonan-kanina.
Manome hery ny vatana
Toe-javatra mateti-pitranga mandritra ny fitondrana vohoka ny fahatsapana reraka sy tsy ampy hery. Rehefa miha lehibe tokoa mantsy ny zaza ao an-kibo dia lasa mavesatra ny vatana. Ankoatra izay dia mitroka ireo otrikaina sy sakafo ilainy ao amin’ny reniny ilay zaza ka mampihena ny herin’ilay reny. Ny fihinanana dattes dia mitondra hery sy mampatanjaka ny bevohoka noho izy mitahiry proteina, vitamina sy minelary maro.
Manampy amin’ny fanamorana ny fiterahana
Isan’ireo antony hafa tsara hinanan’ny bevohoka dattes ny hoe manampy amin’ny fanamorana ny fiterahana ity voankazo ity. Voamarin’ireo mpikaroka tokoa mantsy fa ahitana singa mitovy fiasa amin’ny « ocytocine » ao amin’ny dattes. Ny « ocytocine » moa dia hormonina iray mandray anjara amin’ny fanamorana ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza. Ankoatra izay dia misoroka ny fahaverezan-drà be loatra sy manampy amin’ny famokarana rononon-dreny ihany koa ity hormonina hita ao amin’ny dattes ity.
Fanamarihana
Marihana fa manampy fotsiny ihany ny dattes fa tsy afaka mahasolo ireo fanafody mampatanjaka sy ireo karazana vitamina, fer… omen’ny mpitsabo ny bevohoka. Tsy adinoina ny mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana sy be otrikaina mandritra ny fitondrana vohoka. Tsy tsara hoanina be loatra kosa nefa ny dattes noho izy mamy be. Afaka mihinana tsindraindray mandritra ny fitondrana vohoka. Rehefa 1 volana alohan’ny fiterahana dia mihinana 7 isan’andro fara fahabetsany.