• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine De Chez Nous
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « croquettes de farine »

24/01/2025 16:32 © Moov.Mg

Tsakitsaky iray azo ataon’ny ankizy « goûter » entina mianatra na hoanina ao an-trano ny « croquettes de farine ». Azo atao amidy hitadiavana vola ihany koa izy ity. Mora atao ary tsy be masonkarena nefa dia matsiro. Araho eto ary ny fanaovana « croquettes de farine ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « croquettes de farine »

-Lafarina 1kg ;
-Dibera margarine 150g ;
-Levure chimique ¼ ny sotrokely ;
-Atody 2 ;
-Siramamy 1 kaopy ;
-Vovon-dronono 4 sotro fihinanana ;
-Ronono 1 kaopy ;
-Rano ½ ny kaopy ;
-Menaka hanendasana.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sivanina anaty saladier ny lafarina mba tsy hisy tambaingambaingana. Arotsaka ao ny levure, siramamy sy ny vovon-dronono. Afangaro tsara.
Arotsaka ao manarak’izay ny dibera margarine. Volavolaina amin’ny lohan-tanana mandrapahazoana fangaro mamasipasika.
Maka lovia jobo iray hafa ary kapohana ao ny atody. Alefa ao manarak’izay ny ronono. Kapohana amin’ny fouet hifangaro tsara.
Arotsaka ao anatin’ilay fangaro nisy lafarina teo ny fangaro misy ronono sy atody. Araraka ao ny rano avy eo miaraka afangaro tsara mba hahazoana paty mitambatra tsara. Fisahana eo ambony latabatra ilay paty, tetehana kely be dia be arak’izay habeny hitivana azy.
Hafanaina anaty vilany saba na lapoaly jobo ny menaka hanendasana. Rehefa mamay tsara dia arotsaka tsikelikely ireo paty. Avela ho mendimendy (dorés) dia loharana sady atao mitsiaka tsara ny menaka.

Lire la suite

Articles Similaires