Sakamalaho : akora natoraly mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana
Faka iray masitsiaka, mitondra vokatsoa maro hoan’ny vatana sy ny fahasalamana, ny sakamalaho. Efa nampiasana tamin’ny fitsaboana nentim-paharazana teo amin’ny firenena maro moa izy io. Ankehitriny dia maro ireo vokam-pikarohana ara-tsiantifika manamarina ireo vokatsoa entin’ny sakamalaho eo amin’ny vatantsika.
Fampitoniana ny fikorontanan’ny fandevonan-kanina
Miasa amin’ny fampitoniana ny aretim-bavony, ny maloiloy, ny mandoa sy ny kibo mangotika ny sakamalaho. Ny fihinanana ity zavamaniry ity tokoa mantsy dia mandrisika ny famokarana rora sy « sucs gastriques » izay manatsara ny fandevonan-kanina.
Mampihena ny fanaintainana sy ny « inflammations »
Ireo « composés actifs » mandrafitra ny sakamalaho, toy ny « gingérol », dia manana fiasa « anti-inflammatoires » matanjaka. Afaka manampy amin’ny fampihenana ireo fanaintainana amin’ny vanintaolana sy hozatra ny fihinanana ity faka ity. Manampy amin’ny fampitoniana ny aretin’andoha ihany koa izy io.
Manamafy ny hery fiarovana
Ny sakamalaho dia manana fiasa « antioxydantes ». Izany dia mahatonga azy handaitra amin’ny fiarovana ireo « cellules » amin’ireo mety ho fahapotehana ateraky ny « radicaux libres ». Ankoatra izay dia mandrisika ny famokaran’ny vatana hery fiarovana ny sakamalaho. Ny vitamina C ao aminy dia manamafy sy mampatanjaka ny hery fiarovana.
Mampihena ny « risques » hahazoana areti-mitaiza
Misy ireo fikarohana manambara fa manampy amin’ny fisorohana areti-mitaiza sasany, toy ny aretin’ny fo sy ny homamiadana, ny fihinanana sakamalaho matetika. Mazava ho azy fa tsy mahasolo ny fitsaboana sy ny fandraisan-tanan’ny mpitsabo ny fampiasana azy io fa manampy fotsiny ihany.
Manatsara ny fikorian’ny rà
Ny sakamalaho dia mandrisika sy manatsara ny fikorian’ny rà. Izany dia manampy amin’ny fisorohana ny fiforonan’ny vaingan-drà ary mampidina ny tosidrà avo. Azo ampiasaina hampilamina ny tosidrà ihany koa izy io.