Sakafon’ny zaza : fanaovana yaourt amin’ny solon-dronono
Efa afaka mihinana yaourt ny zaza rehefa feno 6 volana miakatra. Tsara kokoa raha yaourt maison vita amin’ny solon-dronono nokarakaraina tao an-trano no omena azy. Mora amboarina ary mety tsara amin’ny zazakely ity yaourt ity. Araho ary ny fomba fanaovana azy.
Ireo zavatra ilaina raha hanao yaourt maison amin’ny solon-dronono
-Rano 210ml ;
-Solon-dronono 12 sotro (mesurette) ;
-Yaourt nature 3 sotrokely atao « ferment ».
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Ampangotrahana ny rano. Rehefa mangotraka tsara dia bataina teo ambony afo.
Arotsaka ao anatin’io rano vao nangotraka io ny solon-dronono. Aroharoana tsara hifangaro.
Avela hipetraka eo mba hidina ny hafanany. Endrasana ho mafanafana nefa tsy mamay ilay ronono. Tsapaina kely amin’ny tanana ka rehefa manomboka zaka ilay hafanana, izany hoe manodidina ny 52°C, dia arotsaka ilay yaourt nature. Afangaro tsara.
Zaraina anaty « pots d’yaourt » amin’izay. Tokony hahavita« pots » 100ml telo raha ireo akora nampiasaina ireo. Raha manana « yaourtière » dia ampidirina ao avy hatrany.
Raha tsy manana « yaourtière » kosa dia fonosina anaty lamba mafana avy eo apetraka anaty « carton » na anaty koveta dia saromana tsara. Avela ao mandritra ny 4 ora.
Rehefa vonona ny yaourt maison vita amin’ny solon-dronono dia afaka omena ny zaza avy hatrany. Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana ihany koa. Tsy tokony hihoatra ny 3 andro kosa nefa ny hitehirizana azy raha homena ny zazakely.