Bevohoka : torohevitra mamparanin-tsaina ny zaza ao am-bohoka
Fanirian’ny reny bevohoka rehetra ny hiteraka zaza salama tsara sy maranin-tsaina. Zaraina eto ary ireo torohevitra tsara arahin’ny bevohoka mba hampitombo tsara ny atidon’ny zaza ao am-bohoka sy hahatonga azy ho maranin-tsaina.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja
Tena ilaina tokoa ny mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja mandritra ny fitondrana vohoka mba hampitombo tsara ny atidon’ny zaza ao an-kibo sy hahatonga azy haranin-tsaina. Anisan’ireo sakafo mila hoanina betsaka ny voankazo sy ny legioma noho izy ireo manankarena « antioxydants » sy otrikaina maro ilain’ny vatana sy atidon’ny zaza. Tsy adinoina ihany koa ireo sakafo be « oméga 3 » sy « iode » izay mampisokatra sy mahakinga sain’ny zaza. Fadiana na ferana arak’izay azo atao ireo sakafo voahodina, be menaka sy ireo mamy loatra.
Maka fotoana hiresahana amin’ny zaza ao an-kibo
Manaitaitra ny atidohan’ny zaza ary mandrisika ny fitombon’izany ara-dalàna ny fahenon’ny zaza ao am-bohoka ny feon’ny reniny sy ny rainy. Ankoatra izay dia manome fitoniana sy fahatsiarovan-tena ho voaaro ho azy ny fahenoana izany feo izany. Noho izany dia mila maka fotoana hiresahana matetika amin’ny zaza ao am-bohoka ny ray aman-dreny. Sady miteny malefaka sy am-pitiavana no manafosafo moramora ny kibo mba hatsapan’ilay zaza hoe izy no resahana. Manampy amin’ny fivelaran-tsain’ny zaza ihany koa ny famakiana boky ho azy rehefa izy mbola ao am-bohoka iny.
Mihaino mozika
Misy ifandraisany lehibe amin’ny « développement sensoriel » ny zaza ny faharanitan-tsainy. Noho izany, mba hahatonga ny zaza ho maranitra sy kinga saina dia tsara raha ampihainoana mozika mandritra ny minitra vitsy isan’andro izy. Manomboka eo amin’ny 5 volana eo ny zaza ao an-kibo dia manomboka mahatsapa « fréquences » sy feo ary efa afaka mankafy izany. Marina fa samy manana ny gadon-kira tiany ny tsirairay avy fa ny hira milamindamina, indrindra ny « musique classique », no voalaza fa isan’ny manampy indrindra amin’ny fitomboan’ny atidohan’ny zaza ao am-bohoka.