• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Swisscom
Image
Asa & Fianarana

Asa : ireo vokatsoan’ny fahaizana mandrindra ny fotoana

16/01/2025 14:25 © Moov.Mg

Resahana ombieny ny hoe mila mahay mandrindra ny fotoana eo amin’ny tontolon’ny asa sy eo amin’ny fiainana amin’ny ankapobeny. Rehefa hay tsara ny mandamina sy mitantanana ny fotoana hiasana dia maro ireo vokatsoa azo amin’izany.

Mahatsiaro tena manana fotoana malalaka kokoa

Anisan’ny vokatsoa lehiben’ny fahaizana mitantana sy mandrindra fotoana rehefa miasa ny fahatsapana fa manana fotoana malalaka kokoa mandritra ny tontolo andro. Rehefa faritana mazava sy hajaina tokoa mantsy ny ora sy ny fe-potoana hanatanterahana ny asa tsirairay dia lasa mora kokoa ny mifehy ny fotoana. Lasa mahavita mifantoka sy manatanteraka ny asa haingana kokoa. Marihana moa fa tsy hoe lasa mitombo tokoa ny fotoana fa kosa mety hitombo ny asa vita anatin’ny tontolo andro.

Mahavita mampiavaka ny asa sy fiainana manokana

Ny fahaizana mandamina sy mandrindra ny fotoana dia manome fahafahana manisy fetra eo amin’ny asa sy ny fiainana manokana. Rehefa hay ny mamaritra ny « priorités » ny asa tokony atao sy ireo afaka atao ny ampitso na afaka miandry kely dia afaka manasaraka ny fotoana hiasana sy ny fotoana hikarakarana ny ankohonana. Mampilamina ny fiainana, indrindra ny fiainan-tokantrano, ny fahafahana mametraka io fetra io. Mety hiteraka olana ao amin’ny ankohonana tokoa mantsy ny fitondrana asa mody lava.

Mihena ny rarin-tsaina ara-kasa

Rehefa tsy mahay mandamina ny fotoana eo amin’ny asa dia lasa mahatsiaro tena hoe tsy mety ampy ny fotoana hiasana. Raha izany no mitranga dia lasa miazakaza-dava sy manenjikenjika lava mandritra ny tontolo andro nefa toa tsy mety vita ny asa miandry. Mazava ho azy fa raha mitohy mandritra ny andro maro izany dia mitarika havizanana ara-batana sy ara-tsaina. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa mampisy rarin-tsaina.

Manatsara ny « productivité »

Maro ireo karazana fomba fitantanana sy fandaminana ny fotoana manampy mba hiadiana amin’ny fangatahan’andro lava sy hanatsarana ny « productivité » mandritra ny asa. Ankoatra izay rehefa fantatra ireo « priorités » atao mandritra ny tontolo andro dia ho fantatra mazava ihany koa ny fomba fandaharana ny asa tanterahana isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires