Hatramin’ny firy taona ny zaza sy ny ankizy no tokony entina « pédiatre » ?
Ny mpitsabo manokana ny zaza na ny « pédiatre » no tsara antonona mikasika ny fanaraha-maso sy ny fitsaboana ny zazakely. Somary lafo kokoa ny mitondra ny zaza eny amin’izy ireny raha oharina amin’ny fandehanana mpitsabo « généraliste ». Maro arak’izany ireo ray aman-dreny mametra-panontaniana hoe : hatramin’ny firy taona ny zaza no tokony entina « pédiatre » ?
Inona no maha samy hafa ny « pédiatre » sy ny « généraliste » ?
Tsotra ny maha samy hafa ny « pédiatre » sy ny « généraliste ». Ny « pédiatre » dia mpitsabo manokana ny zaza sy ny ankizy. Nandrato fianarana nandritra ny taona maro mikasika ny zaza sy ny ankizy manokana izy ireny. Izany hoe, izy no mahafantatra amin’ny antsipiriana ireo filàna sy ireo aretin’ny zazakely, ankizy sy zatovo. Ny « pédiatre » dia maka fotoana hizahana tsara ny zazakely sy hanomezana ireo torohevitra ny ray aman-dreny mikasika ny fikarakarana azy.
Ny mpitsabo « généraliste » kosa, arak’izany fiantso azy izany, dia mpitsabo niatra mikasika ny fitsaboana amin’ny ankapobeny. Arak’izany dia afaka mitsabo sy mizaha ny fahasalaman’ny zaza, ankizy sy ny lehibe izy ireo. Marihana kosa fa tsy nandalina manokana ny mikasika ny zaza sy ny ankizy toy ny « pédiatre » ny « généraliste » ka tsy mitovy ny fifehezany ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamn’izy ireny.
Firy taona ny zaza sy ny ankizy no tokony mandeha « pédiatre » ?
Vao teraka ny zaza dia ny « pédiatre » no mpitsabo mandray an-tanana ny fizahana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamany. Tsy andrasana marary ny zazakely vao entina manao fizahana any amin’ny « pédiatre ». Mila araha-maso tokoa mantsy ny fitombon’ny zaza sy ny fahasalamany, ara-batana sy ara-tsaina, mandrapaha lehibeny.
Amin’ny ankapobeny dia mizara 5 ny sokajin-taona tokony hitondrana ny zaza sy ny ankizy any amin’ny « pédiatre » :
-Ny zazamenavava izay manomboka ny fotoana nahaterahan’ny zaza mandrapaha 1 volany ;
-Ny zazakely eo anelanelan’ny 1 volana sy 1 taona ;
-Ny ankizy kely izay eo amin’ny 2 taona hatramin’ny 4 taona ;
-Ny ankizy izay eo amin’ny 6 hatramin’ny 10 taona ;
-Ny tanona izay eo anelanelan’ny 11 taona hatramin’ny 18 taona.
Arak’izany dia tokony « pédiatre » hatrany no hitondrana ny ankizy hatramin’ny faha 18 taonan’izy ireo.
Tsy maintsy manana « pédiatre » ve ny zaza ?
Re matetika eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe tsy maintsy « pédiatre » irery ihany no hitondrana ny zazakely hanaraha-maso ny fahasalamany sy hitsabo azy raha sendra marary. Marihana nefa fa tsy hoe voatery entina « pédiatre » ny zaza fa tsara fotsiny raha atao izany mba hahafahana manara-maso tsara ny fitombony sy ny fahasalamany. Raha azo atao dia entina manao « consultation » indray mandeha isam-bolana ny zaza eo amin’ny 1 volana hatramin’ny 6 volana.
Atao isaky ny 3 volana izany hatramin’ny faha 2 taonany. Raha ny eto Madagasikara manokana dia maro ireo ankohonana tsy manana ny enti-manana hitondrana ny zaza any amin’ny « pédiatre ». Tsy azo atao tsirambina nefa ny fahasalaman’ny zazakely ka azo atao tsara ny manantona mpitsabo « généraliste » na ireny CSBII ireny hanaraha-maso ny fitombo sy ny fahasalaman’ny zaza. Toy izay ihany koa ny fitsaboana azy ireny raha sendra marary.