Fomba tsotra fanaovana « Tiramisu aux pommes et caramel salé »
Karazana tsindrin-tsakafo matsiro ary be mpankafy ny « tiramisu ». Maro ireo karazana « recettes » afaka hikarakarana azy ity. Ho an’ireo maniry hanao « tiramisu » matsiro, tsy be masonkarena ary mora atao ary dia araho eto ny fomba tsotra fanaovana « tiramisu aux pommes et caramel salé ».
Ireo akora ilaina raha hanao « tiramisu aux pommes et caramel salé »
-Paoma 3 ;
-Mascarpone 250g ;
-Siramamy 100g ;
-Sucre vanillé 1 fonosana ;
-Ranona kafe mahery 30sl ;
-Biscuits à la cuillère 200g ;
-Caramel salé 100g
-Vovoka cacao.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Sasana tsara ny paoma, voasana avy eo tetehana kely efa-joro. Endasina kely miaraka amin’ny siramamy mba hahazo loko sy ho « caramélisées » kely.
Arotsaka anaty saladier ny mascarpone, siramamy sy ny sucre vanillé. Kapohana miaraka mba hifangaro tsara sy ho lasa malama.
Atsoboka kely anatin’ilay kafe mahery efa nampangatsiahana ny biscuits à la cuillère. Avy eo hafatratra amin’ny faran’ny lasitra somary jobo ireo biscuits.
Apetraka eo ambonin’ilay biscuits ny ampahany amin’ilay paoma nendasina teo avy eo atao eo amboniny ny ampahan’ilay fangaro misy mascarpone. Averina atao ireo sosona ireo mandrapaha tapitr’ireo fangaro rehetra.
Asiana sosona mascarpone eo amin’ny farany ambony avy eo rakofana caramel salé. Amin’ny farany rarahana cacao hanaingoana azy.
Atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 4 ora alohan’ny handrosoana azy mba hifangaro tsara daholo ireo tsiro rehetra.