• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Constanthealth
Image
Fahasalamana&Sakafo

Inona no mahatonga ny lehilahy sasany noana lava ?

10/06/2026 14:10 © Moov.Mg

Zavatra ara-dalàna ny fahatsapana noana imbetsaka isan’andro. Misy kosa nefa lehilahy sasany mahatsapa toy ny banga foana ny vavoniny na dia vao avy nihinan-kanina aza. Maro no mety ho anton’izany, ka anisan’izany ny fomba fiaina sy ny olana ara-pahasalamana sasany. ‘Ndeha ho fantarina eto ny santionany amin’ireo antony mety mahatonga ny lehilahy sasany ahatsiaro noana lava.

Ambony kokoa ny filàna angovo eo amin’ny vatana

Amin’ny ankapobeny, manana hozatra betsaka kokoa noho ny vehivavy ny lehilahy. Ny hozatra anefa dia mandany angovo na dia rehefa miala sasatra aza. Noho izany, matetika dia mila kaloria bebe kokoa ny lehilahy mba hitazonana ny lanjany sy hanatanterahana ny asa ataony isan’andro.
Ireo lehilahy manao fanatanjahantena matetika, miasa mafy ara-batana, na mbola eo am-pitomboana mandritra ny fahatanorana dia mety hahatsapa hanoanana matetika kokoa satria mandany angovo betsaka ny vatany.

Sakafo tsy mahavoky ela

Tsy mitovy ny fahafahan’ny sakafo mampihena ny hanoanana. Ny olona matetika mihinana mofo dipaina, mofomamy, zava-pisotro misy siramamy, sakafo voahodina eny an-tsena… dia mety ho mora noana afaka fotoana fohy aorian’ny fisakafoana.
Ireo sakafo ireo dia mampiakatra haingana ny tahan’ny siramamy ao anaty ra, ary rehefa midina tampoka izany dia miteraka fahatsapana hanoanana indray. Etsy ankilany, ny sakafo manankarena proteinina, fibra ary tavy mahasalama dia mahavoky ela kokoa.

Tsy fahampiana torimaso

Misy fiantraikany mivantana amin’ireo hormonina mifehy ny fahazotoan-komana ny tsy fahampiana torimaso. Rehefa tsy ampy torimaso ny olona iray dia mitombo ny hormonina mampitombo ny hanoanana ary mihena kosa ny hormonina mampisy fahafenoana sy fahavokisana. Vokatr’izany dia mety hitombo ny faniriana hihinana sy hitsakotsako antenantenam-potoana, indrindra ireo sakafo mamy na matavy.

Rarintsaina sy toe-po

Misy olona mihinana bebe kokoa rehefa tratran’ny rarintsaina, tebiteby na ahiahy. Ny adin-tsaina dia mety hampitombo ny famokarana hormonina antsoina hoe « cortisol », izay afaka mampitombo ny fahazotoan-komana amin’ny olona sasany. Izany no mahatonga ny lehilahy sasany hahatsapa filàna hihinana na hitsakotsako matetika rehefa mandalo fotoan-tsarotra.

Fanatanjahantena mahery vaika

Aorian’ny fanaovana fanatanjahantena dia mitady hameno na hanonitra ny tahirin’angovo very ny vatana. Ny lehilahy matetika manao baolina kitra,basikety, fanazarana hozatra na hazakazaka dia mety hahatsapa hanoanana bebe kokoa noho ny mahazatra, indrindra raha tsy ampy ny sakafo hanonerana ny angovo lany.

Mety hafangaro amin’ny hanoanana ny hetaheta

Indraindray, ny atidoha dia mety handika ny hetaheta ho toy ny hanoanana. Alohan’ny hitadiavana sakafo dia tsara ny misotro rano iray vera lehibe ary miandry minitra vitsivitsy. Amin’ny tranga sasany dia mety hisinda ilay fahatsapana hanoanana.

Mety ho famantarana aretina sasany

Ny hanoanana tafahoatra sy tsy mahazatra dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana. Anisan’ireo mety mahatonga izany ny:
-diabeta,
-« hyperthyroïdie »,
-aretina sasany amin’ny fandevonan-kanina,
-fanafody sasany.
Raha miaraka amin’ny fihenan-danja tsy fantatra antony, havizanana be, na soritr’aretina hafa tsy mahazatra ny hanoanana, dia ilaina ny manatona mpitsabo.

Ahoana ny atao hampihenana ny fahatsapana hanoanana lava?

Ireto misy fahazarana afaka manampy:
-mihinana proteinina ampy (atody, trondro, hena, tsaramaso sy legioma maina);
-mihinana voankazo sy legioma manankarena fibra;
-misotro rano ampy isan’andro;
-mampihena ny sakafo be siramamy sy ny sakafo voahodina;
-matory 7 hatramin’ny 9 ora isak’alina;
-mifehy ny adin-tsaina amin’ny alalan’ny fanatanjahantena na fialana voly.

Lire la suite

Articles Similaires