• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aroma Zone
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba hampitoniana ny tongotra aorian’ny dia an-tongotra lavitra

16/06/2026 10:59 © Moov.Mg

Toe-javatra mahazatra ny fahatsapana fanaintainana, mavaivay, havizanana na fivontosana kely amin’ny tongotra rehefa avy nandeha an-tongotra nandritra ny ora maro. Matetika moa dia misinda ihany izany fahatsapana izany rehefa avy miala sasatra tsara. Misy ihany nefa ireo fomba voajanahary afaka manampy hampitony sy hanarenana haingana kokoa ny tongotra reraka, toy ireto atoro manaraka ireto.

Inona no antony mankarary ny tongotra rehefa avy nandeha lavitra ?

Ny tongotra no mitondra ny lanjan’ny vatana manontolo isaky ny dingana atao. Rehefa mandeha an-tongotra ela isika dia miasa mafy ny hozatra, ny tonon-taolana, ny hozatra mpampitohy (tendons) ary ny lalan-dra. Izany dia mety hiteraka:
-Fanaintainana eo ambanin’ny faladian-tongotra;
-Fahatsapana hafanana na mavaivay;
-Fihenjanan’ny hozatra;
-Fivontosana kely;
-Fisehoan’ny « ampoules » na ratra vokatry ny fikikisan’ny kiraro ny hoditra.
Ilaina noho izany ny mikarakara ny tongotra aorian’ny ezaka mba hisorohana ny faharetan’ny fanaintainana sy ny tsy fahazoana aina.

Alona anaty rano matimaty ny tongotra

Anisan’ny fomba tsotra sy mahomby indrindra hampitony ny tongotra reraka ny fandomana tongotra. Tsotra ny zavatra atao : fenoina rano matimaty ny koveta iray ary avela hilona ao ny tongotra mandritra ny15 ka hatramin’ny 20 minitra. Azo ampiana vovon-tsira iray tanana na dite « camomille » efa nangatsiaka. Manampy hampitony ny hozatra sy mampihena ny havizanana izany sady manome fahatsapana fahatoniana.

Atao ambony ny tongotra

Aorian’ny dia an-tongotra lavitra dia mety hiadana ny fivezivezen’ny ra ao amin’ny tongotra. Mba handrisihana io fivezivezin’ny ra io hiverina amin’ny laoniny dia mila mitsotra ambony fandriana ary apetraka ambony ondana ny tongotra, na atsangana miankina amin’ny rindrina mandritra ny 15 minitra eo ho eo. Manampy ny ra hiverina mora kokoa any amin’ny fo izany ary mety hampihena ny fahatsapana mavesatra amin’ny tongotra sy ny fivontosana.

Orina moramora

Ny fanorana dia fomba tsara hanalefahana ny fihenjanana sy ny havizanan’ny tongotra. Tsara raha mampiasa menaka natoraly toy ny : « huile d’amande douce », menaka voanio, menaka oliva… Orina moramora ny faladian-tongotra, ny voditongotra, ny rantsan-tongotra ary ny afovoan’ny faladia. Azo atao ihany koa ny mampihodina baolina tenisy eo ambanin’ny tongotra mandritra ny minitra vitsivitsy mba hanorana lalindalina kokoa ny hozatra.

Mampiasa zavatra mangatsiaka raha mivonto

Raha mivonto na manaintaina ny tongotra dia mety hanampy betsaka hampitoniana izany ny fampangatsiahana azy. Fonosina lamba madio ny « glaçon » ary apetaka eo amin’ny faritra marary mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra. Tsy apetraka mivantana amin’ny hoditra ny « glaçon » satria mety hanimba ny hoditra ny fanaovana izany.

Misotro rano ampy

Ny tsy fahampian-drano ao amin’ny vatana dia mety hampitombo ny havizanana sy ny fanaintainan’ny hozatra. Rehefa avy nandeha an-tongotra ela dia zava-dehibe ny misotro rano ampy mba hanampiana ny vatana sy ny tongotra ho sitrana tsara.

Rahoviana no tokony hijery mpitsabo?

Ara-dalàna ny fanaintainana maivana aorian’ny dia an-tongotra lavitra. Na izany aza, tsara ny manatona mpitsabo raha:
-Mafy loatra na maharitra ny fanaintainana;
-Mivonto be ny tongotra;
-Sarotra na tsy afaka mamindra intsony;
-Ahiahiana misy ratra na aretina.

Lire la suite

Articles Similaires