Sakay : Mahasalama sa mankarary ny fihinanana azy ?
Manome tsiro ny sakafo ny sakay sady mampazoto homana. Maro ireo mihinana sakay mihitsy (na gasy na indostrialy) raha misy kosa ireo mankafy sakafo masiaka tsotr'izao. Tsy tokony hisy fiantraikany tsy amin'ny fahasalamana izany raha hay ny mandanjalanja ny fihinanana azy.
Araka ny fikarohana nataon'ireo manam-pahaizana, mampihena ny fahenoana fanaintainana ny fihinanana sakay. Ireo mahatsapa marary any amin'ny taolana sy ny vanin-taolana no tena tsara mihinana sakay. Voalaza ihany koa fa mahatsara hoditra ny sakay sady mampihena ny tahan'ny siramamy ao amin'ny rà. Manampy amin'ny fampihenan-danja ihany koa io vokatra io. Misy voka-pikarohana manambara ihany koa fa "anti-stress" ny sakay ka tsara hanin'ireo izay mora mitaintaina na matahotra lava. Tsy midika akory izany hoe mila mihinana sakay betsaka isan'andro.
Mandoro vavony sady mampivoaka ny "hémorroïdes"
Na sakafo masiaka na sakay mihitsy, samy misy fiantraikany ratsy eo amin'ny vavony avokoa, indrindra raha be loatra ny fatra hanina. Manaikitra ny vavony sady mampikorontana ny taova fandevonan-kanina tokoa ny sakay, ka mety handoa, harary kibo na hivoaka mihitsy ny tsinaibe. Mila ajanona ny sakay raha efa misy olana amin'ny vavony, mahatsiaro manaikinaikitra ny eo anelanelan'ny tratra na mangirifiry rehefa manao maloto.
Mampitombo ny risiky ny "AVC"
Matetika dia tsy mahatsiaro masiaka intsony ny vavan'ny olona tia sakay, ka te hanampy foana. Rehefa ela ny ela ka tsy mahazaka intsony ny taova ao anaty sy ny vatana, mety hampiakatra tosidrà tampoka ny sakay. Mety ho sempotra tampoka ihany koa, hihatery ny lalandrà ka mihena ny fikorinan'ny rà ao amin'ny vatana.
Fitandremana amin'ny fihinanana sakay
Azo avy amin'ny vokatra natoraly ny sakay. Mahasoa tokoa izy, raha toa ka hay ny mifehy tena rehefa mihinana azy. Misy tokoa mantsy ireo mahalany sakay voatoto na "sauce piquante" maherin'ny 100 ml indray mihinana.
-Raha sakay voatoto na ranony, tokony tsy hihoatra ny iray sotrokely (safoina) no hanina isaky ny sakafo. Tokony hahena izany raha sakafo maivamaivana no hanina, izany hoe tsy misy vary na sakafo mahavoky tsara.
-Raha toa ka misafidy hihinana sakafo masiaka, misy sakamalaho be ohatra na misy curry, dia tsara raha misy sakafo hafa tsy masiaka ampiarahana aminy. Amporisihana ny fisotroana ranom-boankazo tsy be siramamy.
-Tsy mahasoa ny fihinanana tsakitsaky na sakafo masiaka rehefa mahatsiaro noana.