• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ratombondrainy Ramialison
Image
Vaovao

Rivo-doza Dikeledi : Efa nivoaka an-dranomasina, olona 2 no tsy hita popoka, lasan’ny rano

12/01/2025 09:47 © Moov.Mg

Namela takaitra tany amin’ny Faritra SAVA sy Ambatosoa ilay rivo-doza Dekeledi, izay nandalo teto Madagasikara, omaly. Efa nivoaka an-dranomasina kosa anefa izy ary efa miova ireo filazana loza samihafa mifandraika amin’ny toetry ny andro eto amintsika.

Nihena ny heriny

Araka ny tatitra farany navoakan’ny Birao Nasiônaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), dia efa nivoaka an-dranomasina omaly sabotsy 11 janoary 2025 tamin’ny 11 ora alina ilay rivo-doza Dikeledi. Tamin'ny 6 ora maraina dia tany amin'ny 140km avaratra andrefan'i Nosy be no nisy ny foibeny. Efa nihena ny heriny, ary nihena torak’izany koa ny rivotra miaraka aminy. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana ny lalany ary efa any an-dranomasina avokoa ny ny rahom-baratra miaraka aminy.

Noho izany dia miova ireo filazana loza ho an’ireo Distrika eto Madagasikara :
• Filazana loza miloko mavo : Mahajanga I sy II, Mitsinjo ary Soalala
• Filazana loza miloko manga : SAVA, DIANA, Bealanana, Antsohihy, Analalava
Foana kosa ny filazana loza ho an'ny Faritra AMBATOSOA, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Mampikony, Boriziny, Marovoay ary Ambato-Boeny

Traboina

Araka ny tatitra vonjimaika avy amin’ny BNGRC momba ireo takaitra navelan’i Dikeledi, androany 12 janoary 2024 tamin’ny 7 ora sy 30 mn maraina, dia olona 2 no tsy hita popoka, lasan’ny rano, tany amin’ny Distrikan’i Maroantsetra. Tao amin’ny Kaominina Rantabe ny iray ary tao amin’ny Kaominina Ambodimanga ny iray. Olona miisa 915 kosa no traboina, izany hoe : tokantrano 196, any amin’ny Faritra SAVA. Ololna miisa 751 no voatery nafindra toerana, izany hoe : tokantrano 165 isa, ka ny 688 amin’ireo dia any amin’ny Distrikan’i Vohemar ary ny 63 any amin’ny Distrikan’i Maroantsetra.

Momba ny fahasimbana eo amin’ny fotodrafitrasa, dia trano falafa 159 isa no dibo-drano raha 37 isa kosa no nahitana fahasimbana. Etsy an-daniny, tapaka noho ny fiakaran’ny rano ny lalana eo amin’ny « passage à gué » PK 174 any amin’ny lalam-pirenena faha-5, ao amin’ny Fokontany Manambery, Kaominina Ampondra, Distrikan’i Vohemar. Misy moa ny fepetra manokana napetraky ny ministeran’ny Asa Vaventy, mba tsy hahatapaka tanteraka ny fifamoivoizan’ny fiara amin’iny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Antalaha iny.

Lire la suite

Articles Similaires