• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mitohy eny Ambatoroka sy Ambohipo ary Ambolokandrina ny fanamboaran-dalana

10/01/2025 16:39 © Moov

Amin’ny fanatanterahana ny baikon’ny Filoham-pirenena amin’ny fanavaozana ny lalana eto Antananarivo dia mitohy ny asa. Eny Ambatoroka mankeny Ambolokandrina, mandalo eny Ambohipo amin’izao ny asa mandeha.

Misy ny efa vita ; misy ny andalam-panavaozana

Maro ireo mponina mivezivezy sy mampiasa ity lalana ity ka izany no nandraisan’ny Minisitera ho zava-dehibe ny fanarenana izany mba hampilamina ny fifamoivoizana. Manomboka eo Ambatoroka, Ambohipo eo amin'ny " 3 chemins", ny ampahany voalohany mihazo ny tsena sy ny arrêt bus « 164 ». Ny ampahany faharoa kosa mankany Ambolokandrina ka hatrany amin'ny fivilian-dalana Antsahamamy. Asa fanalana ireo akora ratsy amin'ny arabe na "scarification" sy fanaovana ireo sosona fototra na « mise en œuvre de couche de base" no tanterahin'ny orinasa Colas ankehitriny. Vinavinaina ho vita ny volana febroary 2025 izany asa izany. Etsy ankilany dia efa vita kosa ny ampahany manomboka eo amin'ny fivilian-dalana amin'ny Shell Ambohipo hatrany amin'ny fivilian-dalana Ambatoroka Villa Berlin, izay efa vita. Fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ny Faritra Analamanga ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izany.

Araben’ny fahaleovan-tena

Vao namafisin’ny Filoham-pirenena nandritra ny filan-kevitra ny Minisitra ny alarobia teo ihany koa ny fanarenana ny araben’ny fahaleovan-tena (avenue de l’indépendance). Isan’ny laharam-pahamehana miaraka amin’ireo lalana hafa rehetra ihany koa io eo Analakely io. « Ho avaozina tanteraka ny tara eo amin’io lalana io. Hiaraka amin’izany ihany koa ny lalana rehetra mitondra mankao amin’io », hoy ny Filoham-pirenena. Raha ny fanazavany dia tsy hioatra ny 10 andro dia hisy ny fidinana eny an-toerana hanombohana ny fanamboarana io araben’ny fahaleovan-tena io. Tsara ny manamarika fa manodidina ny 50km kosa ny lalana eto Antananarivo Renivohitra rehetra izay hokojakojaina sy hohajariana.

Lire la suite

Articles Similaires