Rivodoza Dikeledi : Efa maherin'ny 200 ireo traboina ao Vohémar
Niditra an-tanety ao amin’ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan’i Vohemar, tamin’ny manodidina ny 07 ora sy sasany hariva teo ilay rivodoza Dikeledi. Mandravarava tokoa izy satria tsy nihena mihitsy ny rivotra entiny (130 Km/ora) na dia niditra an-tanety aza.
Androany sabotsy 11 janoary maraina no tena nihamafy ny rivotra sy ny orana nentin'i Dikeledi ho an'ny faritra Avaratra iny. Ny atoandro teo dia efa nahitana sary maromaro nahitana rano miakatra tao Vohémar, toerana nidiran'ny rivodoza. Araka ny tatitra voarain'ny BNGRC tamin'ny 10 ora alina teo, efa maherin'ny 200 ireo traboina. Ny tao Ampisikinana dia 191 ireo traboina (fianakaviana miisa 47), ary nahitana fahasimbana trano miisa 25 hatreto. Ho an'i Tsarababia, fianakaviana 12 no traboina, izay misy olona 36. 12 kosa no isan'ny trano simba hatreto. Raha ny ao Vohémar, efa misy toerana nomanina nandraisana ireo traboina, ka 137 no fianakaviana (olona miisa 688) efa voaray an-tanana.
Fampitandremana
Mbola mitoetra hatrany ny filazana sy fampitandremana rehetra izay nambaran'ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro. Hatramin'ny 14 janoary any ho any, hikija ny orana ho an'ny faritra Avaratra sy Atsinanana. Ahiana ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ny tapany Avaratra manontolo, vokatry ny rotsak’orana betsaka (mihoatra ny 120 mm/24ora), mandritra ny fandalovan’ity rivodoza ity. Mikorontana tanteraka ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka Afovoany Atsinanana, Avaratra Atsinanana ary Avaratra Andrefana, ka mijanona mihitsy aloha ny fivezivezena an-dranomasina.
Filazana loza
-Loza mitatao miloko mena : ny faritra Sava sy Diana, ny Distrikan’ny Bealanana, Antsohihy, ary Analalava.
-Loza manambana miloko mavo: ny Distrikan’ny Mahajanga I-II, Mitsinjo ary Soalala.
-Fanairana miloko maitso: ny faritra Ambatosoa, Distrikan’ny Befandriana Avaratra, Mandritsara, Mampikony, Boriziny, Marovoay ary Ambato-Boeni.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Mahanoro, sy eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza.