Antananarivo : Mpamonjy voina miisa 376 fotsiny ho an’ny olona miisa 2 tapitrisa mahery
Misy tsy fahampiana betsaka ny isan’ny mpamonjy voina miasa eto Antananarivo. Isan’ny olana lehibe nasongadin’izy ireo, androany izany, nandritra ny tatitry ny asany ho an’ny taona 2024, tao amin’ny toby eo Tsaralalana.
Mpamonjy voina iray tokony ho an’ny olona 800
Raha ny nambaran’ny Commandant Eric Olivier Ralaivaonoro, Lehiben’ny Mpamonjy voina dia miisa 376 izy ireo amin’izao fotoana izao. Miisa 22 amin’izy ireo ny vehivavy. Kely io isa io raha oharina amin’ny asa sy ny fitombon’ny mponina eto Antananarivo amin’izao fotoana, hoy izy ireo. « Raha ny fenitra iraisam-pirenena dia ny mpamojy voina iray tokony olona miisa 800 eo ho eo ihany no raisiny an-tanana kanefa ny antsika eto efa miisa 2 700 mahery isaky ny mpamonjy voina izany », hoy hatrany ity Lehibe ity. Isan’ny olana aterak’izany ny mety ho faharatsian’ny tolotra isan-karazany ka tokony hikarohana vahaolana. Marihina moa fa tafiditra ao anatin’ny asa tanterahin’ny mpamonjy voina ny hain-trano, doro tanety, loza anaty rano, ary ihany koa ny famonjena olona amin’ny lafiny fahasalamana (évacuation sanitaire). Nanamarika araka izany, ny tenany, fa hangataka ny fampidirana mpiasa vaovao amin’ity taona ity mba hanampy amin’ny fanatanterahana ireo iraka.
Nitombo ny voina noraisina an-tanana
Nanamafy ny olan’ny tsy fahampiana mpiasa ny fitombon’ny voina novonjena tamin’iny taona 2024 iny. Nanamarika mantsy izy ireo fa niakatra noho ny tamin’ny taona 2023 izany. Raha ny hain-trano ohatra dia lasa 352 ny tranga raha 303 izany ny taona 2023. Toy izany ihany koa ny famonjena ara-pahasalamana izay niisa 488 ny taona 2023 ary lasa 549 izany ny taona lasa teo. Ankoatra izay dia niisa 123 ireo naratra ary 76 kosa ireo namoy ny ainy tamin’iny 2024 iny. Ireo rehetra ireo izay nanazavan’izy ireo fa misy tsy fahampiana tokoa ny isan’izy ireo amin’izao fotoana. Nisy fihenana kosa ny famonjena anaty rano izay 59 ka lasa 39 izany tamin’ny 2024. Mbola heverina ho mampanano sarotra ny famonjena ihany koa ny fifanalavitan’ny toby mpamonjy voina. Efa saika misy azy ireo avokoa ny boriborintany 6 saingy handrasana amin’ity taona 2025 ity ihany koa ny famitana ny toby eo amin’ny boriborintany fahefatra.