• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pam
Image
Vaovao

Maitso ahitra : Zaza 450.000 isa no mety ho tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika

09/01/2025 16:11 © Moov.Mg

Ao anatin’ny vanim-potoana maitso ahitra tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, fotoana izay mampiakatra ihany koa ny tahan’ny tsifanjariantsakafo. Mitondra tohana ho an’ireo Faritra tena ahitana izany tranga izany ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM).

Loza voajanahary

Tombanana hiisa 1 375 000 ireo mponina iharan’ny tsifanjariantsakafo any amin’ny tapany Atsimo sy Atsimo Atsinanan’i Madagasikara, mandritra ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra. Marefo tokoa mantsy ireo Faritra ireo, manoloana ireo loza voajanahary, izay manamafy ny trangana tsifanjariantsakafo mahazo laka any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, miaina ao anaty hain-tany ny any Atsimo ary tsy afa-bela amin’ny rivo-doza ny any Atsimo Atsinanana.

Araka ny nambaran’ny filohan’ny fandaharanasan’ny PAM eto Madagasikara, atoa Outman Badaoui, dia ireo Faritra roa ireo no tena iompanan’ny tohana entin’i PAM, amin’izao vanim-potoana maitso ahitra izao. Raha ny any Atsimo Atsinanana manokana, dia nilaza ireo mponina fa mihamafy sy mihalava hatrany ny « sakave », fiantsoan’izy ireo ny maitso ahitra, tao anatin’ireo taona maromaro farany. Rehefa tena tsy mahita ho hanina izy ireo, dia ny ampalibe no lasa foto-tsakafo. Rehefa tena ao anaty sakave anefa, na io voankazo io aza tsy misy, ka lasa mihinana zava-maniry tsy fihinana, toy ny veoveo sy ny ringiritry, ny mponina.

Tohana ara-tsakafo maika

Amin’ity vanim-potoana maitso ahitra ity, nanomboka ny volana ôktôbra 2024 hatramin’ny volana aprily 2025, dia manodidina ny 1,7 tapitrisa no isan’ny Malagasy mila tohana ara-tsakafo maika any amin’ireo faritra ireo. Zaza latsaky ny 5 taona maherin’ny 450.000 isa kosa no ahiana ho tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika, araka ny nambaran’atoa Outman Badaoui. Manoloana ireo, tohana ara-tsakafo maherin’ny 18.500 taonina no hozarain’ny PAM any amin’ny tapany Atsimo sy Atsimo Atsinanan’ny Nosy, ho an’olona maherin’ny 800.000 isa. Vola maherin’ny 6 tapitrisa dôlara kosa no hotsinjaraina mivantana amin’ireo tokantrano, mba hamaliana ny filàna ara-tsakafon’izy ireo ao anatin’ny hamehana, ka hahafahan’izy ireo mividy ny sakafo fototra tena ilainy.

Lire la suite

Articles Similaires