• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ang 25Ème Anniversaire
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Hanangana paikady hanafoanana ny fahamaizan’ny ala sy ny tanety ny mpiseradia

09/01/2025 16:00 © Moov

Nifampitaona teny amin'ny Restaurant Phoenix Antsahamanitra ireo mpisehatra amin'ny fizahantany, omaly, 8 janoary. Fanehoany ny firaisan-kinan'izy ireo manoloana ny doro tanety sy ny doro ala misy amin'izao fotoana izao izany. Nandritra izany no nanoloran’izy ireo vahaolana.

Miompana amin’ny tontolo iainana ny 95% ny tolotra fizahantany

Zava-dehibe indrindra ho an’ireto mpiseradia sy mpisehatra amin’ny fizahantany ireto ny lafiny tontolo iainana. Raha ny fanazavan’izy ireo dia mifototra amin’ny tontolo iainana ny 95% ny tolotra fizahantany eto Madagasikara. Rariny araka izany raha handray anjara ihany koa izy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy fanafoanana ny doro ala sy doro tanety. « Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina androany ny fanampiana ny polisin’ala. Manaraka izany ny fikasana hiara-hiasa amin’ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina mba hahafahana mijery vahaolana maharitra. Miankina betsaka amin’io mantsy ny asanay », hoy i Andriamampionona Diary, solon-tenan’ireo mpiseradia. Ankoatra io omaly io moa dia mbola hisy ihany koa ny fihaonana manaraka hahafahana mijery vahaolana matipaika amin’ity olana ity. Resy lahatra ihany koa ireo mpisehatra nandritry ny fihaonana fa hanangana " Cercle de réflexion pour le tourisme durable" na ny CRTD entina hametrahana vina ho an'ny fizahantany lovanjafy.

Hamonjena asan’olona maro eny ifotony

Tsy ho an’ireto mpisehatra amin’ny fizahantany ireto irery ihany no anton’izao fandraisana andraikitra izao, raha ny fanazavana. Asan’olona maro manodidina ireo faritra misy simba sy may no voatohintohina ka manimba ny fidiram-bolan’izy ireo. Ao anatin’izany ny mpanao asa tanana sy ny mpanjono sy ny maro hafa. Etsy ankilany dia isan’ny mampiditra vola betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ihany koa izy io ka tsy maintsy harovana. « Manodidina ny 30ha teo no may tao Ranomafana, isan’ny tena nahatonga anay niray hina izy io satria maro be ny olana naterany », hoy kosa i Angelo Rakotonirina, isan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany. Manameloka tanteraka ireny fihetsika ireny moa izy ireo ary mangataka ihany koa ny hampiharana sazy henjana ho an'ireo mpandoro Tanindrazana.

Lire la suite

Articles Similaires