• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Torohevitra hamoahana ny rivotra amin’ny zazakely

08/01/2025 15:16 © Moov.Mg

Isan’ireo toe-javatra mampijaly ny zazakely ny fisian’ny rivotra miangona any amin’ny taovam-pandevonan-kanina. Mila entina mpitsabo zaza (pédiatre) izy mba hahazo ny fandraisan-tanana ny fahasalamany. Ho fanampin’izany dia misy ireo torohevitra manampy azo atao ao an-trano hamoahana ny rivotra.

Tandremana tsara ny sakafon’ny zaza sy ny mpampinono

Amin’ny ankapobeny dia ny zaza eo amin’ny 1 volana sy tapany hatramin’ny 6 volana no tena ampijalian’ny rivotra. Mba hisorohana izany dia mila tandremana tsara ny sakafony. Ho an’ny zaza minono amin’ny reniny dia ny sakafon’ny reny no tena mila safidiana tsara. Matetika tokoa mantsy dia avy amin’ny sakafo no mety mampisy rivotra ny zaza.
Arak’izany dia sakafo voalanjalanja sy tsy ahiana mety ho sarotra levonin’ny zaza minono no tokony hoanin’ny reny. Anisan’ireo sakafo mety mampidi-drivotra ka mila ferana ny sakafo be menaka, mamy loatra, be episy ary ny zava-pisotro misy entona, kafeina, alikaola… Toy izany ihany koa ny legioma mavesatra toy ny laisoa, tsaramaso…
Ho an’ny zaza mihinana solon-dronono dia mila hajaina tsara ny fatran’ny vovon-dronono sy ny rano hanapohana azy. Rehefa manome « biberon » ny zazakely dia jerena tsara hoe mahazo ronono tsara ve izy sao mitsetsitra rivotra fotsiny.

Ireo fihetsika manampy hanesorana ny rivotra amin’ny zaza

Raha toa ka mandalo fotsiny ihany ny rivotra ao an-kibon’ny zaza dia ireto manaraka ireto ny fihetsika manampy hamoahana izany :
-Orina moramora amin’ny menaka nafanaina ny kibony ary atao manaraka ny fiodin’ny famantaranandro ilay otra ;
-Trotroina atao mitodika any amin’ny mpitrotro azy ilay zaza ka atao mitohoka eo aminy ny kibon’ity farany ;
-Trotroina amin’ny ila-sandry ilay zaza, ary ahohoka eo amin’ny sandry ny kibony mba hahazo hafanana ;
-Ampatoriana mitsilany ny zaza ary ahetsika toy ireny mamoy bisikileta ireny ny tongony roa.

Fanamarihana

Marihana fa torohevitra manampy ihany ireo natoro ireo ka tsy mahasolo ny fitsaboana ataon’ny mpitsabo. Izany hoe, mila entina mpitsabo ny zazakely raha tsikaritra fa misy tsy mampahazo aina azy satria efa misy ihany koa ny fanafody natokana amin’ny fandraisan-tanana ny zaza be rivotra.

Lire la suite

Articles Similaires