Ministeran’ny Fahasalamana : Mitohy ny ezaka eo amin’ny sehatry ny vaksiny sy ny ady amin’ny VIH/Sida
Fotoana nampahafantarana ny paikadin’ny ministera isan-tokony, ny fotoanan’ny fanangan-tsaina voalohany ho an’ity taona 2025 ity. Ho an’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manokana, dia hotohizina ireo ezaka fanatsarana ny fahasalamana eny ifotony, indrindra ny momba ny fanaovam-baksiny, ny ady amin’ny haromontana ary ny fitiliana ny VIH/Sida.
Fanaovam-baksiny sy ady amin’ny haromotana
Napetraky ny fitondram-panjakana ho taonan’ny vaksiny ny taona 2024. Nisy, noho izany, ireo ezaka natao mba hanatrarana ny fanaovam-baksiny, ho an’ireo ankizy tsy mbola nisitraka izany mihitsy hatramin’ny nahaterahany, na ireo « daozy aotra ». Nisy ihany koa ny fanaovam-baksiny faobe miady amin’ny lefakozatra sy ny kitrotro, mba hiadiana amin’ireo aretina mety hahafaty ny zaza sy ny ankizy ireo. Hotohizana izany ezaka izany, hoy ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, nandritra ny fananganan-tsaina notanterahin’ny avy eo anivon’ny ministera tantanany, tamin’ny alatsinainy lasa teo.
Hanohy ny ezaka eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny haromotana ihany koa ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, araka izay andraikitra manandrify azy, hoy ny Minisitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanetanana isan-karazany, ka amporisihina ireo mpiompy mba hanao vaksiny ny biby fiompiny, izay mety hamindra amin’ny olombelona, raha sanatria ka tratran’ny aretina. Eto Madagasikara rahateo dia mbola maro ny olona tsy mahalala ny momba ity aretina ity, kanefa nahafaty olona 800 isa isan-taona izy io teto amintsika, tao anatin’ny telo taona, araka ny fikarohana nataon’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Tanjona napetraky ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) ny tsy hisian’ny olona matin’ny haromontana intsony amin’ny taona 2030, maneran-tany.
Mahalala ny toe-tena
Etsy an-daniny, mitohy ny famporisihana ny Malagasy mba hanatanteraka fitiliana ny aretina VIH/Sida, miaraka amin’ny fanentanana ny olona hanao firaisana ara-nofo voaaro. Nambaran’ny Pr Zely Arivelo Randriamanantany, nandritra ny fanokafana ny fihaonambe momba ny VIH/ Sida eto amin'ny ranomasimbe Indianina, tamin’ny taon-dasa, fa nanao ezaka manokana ny fitondram-panjakana, nikaroka ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH. Taorian’izany hetsika izany, dia olona mitondra ny tsimokaretina VIH miisa 20.000 no hita manerana an’i Madagasikara, hoy ny nambarany, raha toa ka tombanana ho 75.000 isa ny olona mitondra ity tsimokaretina ity eto amintsika. Araka izany, mbola misy olona 55.000 isa miriaria any anaty fiarahamonina any, tsy mahalala ny toe-tenany. Izany indrindra no antony hanohizana ny ezaka, mba ho sahy hamantatra ny momba ny fahasalamany ny olona tsirairay.