Ady amin’ny kolikoly : Hiroso amin’ny fametrahana ny rafitra mpanara-maso ny asan’ny fitsarana ny Minisitera
Nanomboka niasa androany taorian’ny fialan-tsasatra ny Minisiteran’ny fitsarana. Tamin’izany no nametrahan’ny Minisitra, Benjamin Rakotomandimby, ny vina amin’ity taona 2025 ity. Tamin’izany no nilazany fa hirosoana ny fametrahana ny rafitra mpanara-maso ny asan’ny fitsarana (inspection de la justice)
Hitsirihana ny asan’ny mpitsara
Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana sy ny ady amin’ny kolikoly ity asa ho tanterahina ity. Hatao ihany koa hahafahana manatratra ny vinan’ny Fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Voafaritry ny lalam-panorenana ihany koa mantsy ny tokony hametrahana ny « inspection de la justice » na io rafitra mpanara-maso ny asa-pitsarana io. Hotsirihina voalohany amin’izany ny asan’ny mpitsara. Ao anatin’izany ny tatitra hataon’ny mpitsara tsirairay mahakasika ny raharaham-pitsarana namoahana didy. « Amin’ny alalan’io tatitra io ihany koa no hahafahana manome mari-pankasitrahana na manome sazy ireo mpitsara ireo. Etsy andaniny anefa tsy natao hanasaziana ireo mpitsara io tatitra io fa hanatsarana ny rafi-pitsarana », hoy ny Minisitra nanazava ny ilaina izany rafitra izany. Nanamarina hatrany ny tenany fa efa nisy hatrany ny fanaraha-maso fa amin’ity indray mitoraka ity dia ny fanaraha-maso amin’ny ankapobeny no hotanterahina.
Fanavaozana ny lalàna
Isan’ny mbola fanamby goavana amin’ity taona 2025 ity ihany koa ny fanavaozana ny lalàna samihafa mifehy ny fitsarana eto Madagasikara. Ankoatra ny fametrahana io rafitra lehibe io araka izany dia hisy ihany koa ny fikaonambe mikasika ny tontolon’ny fitsarana (assise nationale), handraisan’ireo mpisehatra amin’ny rafipitsarana rehetra, miaraka amin’ny governemanta sy ireo mpiara miombon’antoka amin’ny fitsarana, anjara. Hojerena mandritra izany ny maharary sy ny fanatsarana io tontolo io ; zava-dehibe indrindra amin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Isan’ny ho voaresaka betsaka ao amin’izany fivoriana lehibe izany ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fitsarana eto Madagasikara.