Vita ny fialantsasatra : ahoana ny hanarenana ny endrika reraka ?
Vita izay ny fialantsasatra faran’ny taona ka efa miverina miasa avokoa ny ankamoarin’ny mpiasa. Tapitra hatreo ny fety, ny fiaretan-tory… Vita ihany koa ny fatoriana maraina sy ny fakana aina. Mety ho hita soritra eny amin’ny endrika ny fiverenana amin’ny rotoroton’ny andavanandro. Andeha ary ho resahana eto ireo torohevitra hanarenana sy hanakonana ny endrika mivalohariky ny harerahana.
Ny fisehon’ny endrika reraka
Miseho amin’ny fomba fahasamihafana ny harerahana eo amin’ny vatantsika. Mety izany ho fahatsapana malemilemy sy torovana eo amin’ny hozatra sy ny vatana amin’ny ankapobeny. Mety ihany koa izany hiseho eny amin’ny endrika na ny tarehy. Toy ireto manaraka ireto ary ireo fisehon’ny endrika reraka :
Milentika sy miroraka eo ambanin’ny maso
Isan’ireo fambaran’ny harerahana hita taratra eo amin’ny endrika ny « cernes » sy ny « poches » na ilay miroraraka sy milentika eo ambanin’ny maso. Tsy fahampiana rano sy tsy fikorian’ny rà tsara ao amin’ny hodi-maso vokatry ny havizanana no mahatonga azy ireo.
Mivaloarika sy misy kentrona
Ny mivaloarika sy ny kentrona ihany koa dia fambara matetika ahafantarana endrika reraka. Rehefa vizaka tokoa mantsy dia miangona eo amin’ny hoditra ireo sela maty ka manakan’izany tsy hahazo hazavana. Izay no mahatonga ny tarehy toy ny hoe hatsatra na mivaramainty. Lasa misy kentrona mipoitra ihany koa fa tsy « souple » tsara ilay hoditra.
Ireo antony mety mahatonga ny endrika reraka
Maro ireo antony mety mahatonga ny havizanana ho hita taratra eny amin’ny endrika. Anisan’izany ny :
-Tsy fahampiana torimaso ;
-Ny tsy fahampiana rano vokatry ny fisotroana toaka be loatra, indrindra nandritra miampy fiaretan-tory ;
-Ny adintsaina sy ny rarintsaina ;
-Ny fampiasana vatana be loatra nefa tsy ampy fakana aina.
Ireo torohevitra hanarenana sy hanakonana ny endrika reraka
Ny torimaso no isan’ny vahaolana manampy indrindra hanarenana ny endrika reraka vokatry ny havizanana. Izany hoe, fadiana ny miari-tory ary mila atao ampy adiny 8 ora ny torimaso isan-kalina. Raha azo atao dia tsy mijery « écran » rehefa alohan’ny hatory, atao antonony ny hafanana ao amin’ny hefitrano fatoriana ary vonoina avokoa ny jiro rehefa matory.
Ankoatra izay dia mila diovina sy atao mangatsitsiaka ny tarehy rehefa vao mifoha. Raha hita fa mivaloharika ny endrika rehefa maraina vao mifoha iny dia mila diovina tsara aloha mba hiala ireo sela maty miangona eo aminy. Avy eo lemana amin’ny rano mangatsiaka ny tarehy mba handrisihana ny fikorian’ny rà, hampitsotra ireo kentrona sy hampidy ireo mason-koditra.
Tsy adinoina ny manamandina ny hodi-tava hanarenana ny fahamainana vokatry ny tsy fahampian-drano. Ny fanosorana « crème de jour » rehefa maraina no fomba mahomby indrindra hanatanterahana izany. Raha tsy manana « crème de jour » dia afaka soloina akora natoraly toy ny menaka oliva, yaourt na vahona ihany koa izany.