• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gouvernorat Région Diana
Image
Vaovao

Faritra Diana : Nametraka paikady hiatrehana ny fotoam-pahavaratra momba ny olana andavan’andro

06/01/2025 14:36 © Moov

Manana fanahiana amin’ny olana andavan’andro, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy, ny ao amin’ny Faritra Diana amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Mety hahatonga izany ny mety ho fahasarotana amin’ny lalam-pirenena ka nanatanteraka fivoriana izy ireo hikarohana vahaolana amin’izany.

Hamafisina ny fitaterana an-dranomasina

Tompon'andraikitra ara-panjakana sy ireo sehatra tsy miankina ary ireo mpivarotra ambongadiny (grossiste) sy ny Governora no niaraka nanatanteraka izany fivoriana izany. Ny tanjon'ny fivoriana dia ny fitadiavana vahaolana entitra entina hamahana ny olan'ny vahoaka andavan'andro amin’ny resaka ara-tsakafo. Zava-dehibe ity fihaonana ity satria iaraha-mahalala ny olana amin’ny lalam-pirenena RN6, noho ny fahatapahan'ny tetezana ao Ifasy sy Mahavavy. Mazava loatra fa ny fikorontanana eo amin’ny fitaterana no tsy maintsy nitadiavana vahaolana. Nambaran' ny Governora fa rano sy vary ny fanjakana sy ny tsy miankina amin'ny famahana io olana io. Noho izany mba hanamaivana ny fitraikan'ny andro ratsy dia rariny raha natsidika sahady ireo vahaolana mifanandrify amin'izany fa tsy tokony miandry fotoana farany vao hihetsika. Araka izany, ny fitaterana an-dranomasina sy fiampitana amin'ireo tetezana ireo no hevitra naroso. Hamafisina araka izany io fitaterana an-dranomasina io mba hahafahana mamatsy ireo vokatra ilaina amin’ny andavan’andro ireo sy mba tsy hahafoana izany, indrindra rehefa fotoan’ny orana.

Ho tazomina ny vidin’entana

Raha toa ka tsy maintsy hampiakatra ny saran' entana izany, noho ny mety ho fahatapahan’ny lalana ; dia efa manao ezaka ny fitondram-panjakana amin'ny fitadiavana fomba rehetra hampihena azy na itazonana ny vidiny araka ny takatry ny vahoaka. Nanome toky kosa ireo mpandraharaha ambongadiny (grossiste) tonga tamin'ny fivoriana fa mbola ampy tsara ny tahiry hatreto, indrindra ny vary. Raha tsy misy ny fanararaotana ataon'ireo tia tena. Etsy ankilany dia efa nametraka vahaolana ihany koa ny Minisiteran’ny asa vaventy mba tsy hiteraka olana io fiampitana eo amin’ny « passage à gué » eo Mahavavy sy Ifasy io. « Efa nametrahana ekipa fiandry eo amin’ireo fiampitana roa ireo raha sendra misy ny fahasimbana. Efa eo an-toerana hatrany ny orinasa Colas hanamboatra raha misy fahasimbana mba hiverenan’ny fifamoivoizana haingana », hoy ny avy ao amin’ny Minisitera. Mitana anjara toerna lehibe eo amin’ny adavan’androm-piainan’ny olona rahateo ny lalana ka izany no maha-zava-dehibe azy.

Lire la suite

Articles Similaires