• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Studio Sifaka
Image
Vaovao

Antananarivo : Haharitra ora roa indray ny fahatapahan-jiro isaky ny toerana hisehoany

06/01/2025 10:24 © Moov

Miverimberina hatrany ny olan’ny fahatapahan-jiro noho ny tsy fahampian’ny solika sy ny rano. Niverina nanambara indray ny avy ao amin’ny orinasa Jirama fa hisy fahatapahana mandritra ny ora roa indray ny jiro eto Antananarivo sy ny manodidina. Saika hiaina izany avokoa ny fokontany rehetra.

Tsy ampy famatsiana solika

Raha tsiahivina dia saika mihodina amin’ny alalan’ny solika mavesatra ny ankamaroan’ny toerana mpamokatra herinaratra eto Antananarivo. Misedra olana amin’ny tsy fahampiana famatsiana io solika io anefa ny orinasa Jirama, raha ny fanazavan’izy ireo ka nanapahana hevitra amin’ity fanapahan-jiro ity. Nanomboka omaly, alahady io fahatapahana io izay hiseho eo anelanelan'ny 10 ora maraina sy amin'ny 6 ora hariva, izay haharitra ora 2 (2h00) isaky ny fahatapahana. Etsy ankilany anefa dia mbola isan’ny olana mahatonga izany ihany koa ny fihenan’ny rano amin’ireo toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny toho-drano. Raha ny fanazavana hatrany dia mahatonga azy io ny fihenan’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra. Ity farany izay nahatonga ny orinasa nisafidy ny solika kanefa io misedra tsy fahampiana io ihany koa amin’izao fotoana izao.

Mila faharetana

Nanamafy ny Filoham-pirenena, tamin’ny lahateniny tamin’ny fiafaran’ny taona 2024 iny fa efa mikaroka vahaolana ny fitondram-panjakana amin’io fahatapahan-jiro io. Nohamafisiny kosa anefa fa ilaina ny faharetana amin’io vahaolana io. Isan’ny nambarany tamin’izany ny fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra manana tanjaka 105 MW eny Ambohimanambola izay tsy maintsy ho vita mialohan’ny fetim-pirenena 26 jona 2025. Eo ihany koa ny « parc solaire » manana tanjaka 100 MW ho an’Antananarivo sy ireo « parcs solaires » hapetraka any amin’ireo Distrika maro hafa. Raha tsiahivina dia efa napetraka ny volana desambra teo ihany koa ny vatofototry ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny reniranon'Ikopa, izay manana tanjaka 64MW, ao Ranomafana, Distrikan'Ankazobe. Ireo rehetra ireo izay entina hanatsarana ny fahatapahan-jiro, indrindra eto Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires