Toe-karena manga : Haparitaka manerana ny Nosy ny fiompiana sy fikarakarana dingadingana
Nitsidika ny Helodranon’i Narinda ny Minisitry ny jono sy ny toe-karena manga hahafahana manaparitaka ny fiompiana dingadingana (concombre de mer). Tsara ny manamarika mantsy fa isan’ny vokatra iray mampiavaka an’ny Madagasikara ity karazana hazan-drano ity.
Manana karazany 38 i Madagasikara
Manomboka amin’ireo karazana dingadingana tsy dia maro mpitia, tonga amin’ireo tena be mpankafy dia saika hita eto Madagasikara avokoa. Manana karazana dingadingana miisa 38 i Madagasikara ary tena azo atao ny mitady vola amin’ny alalan’ny fiompana azy ireo. Izany indrindra no anton-dian’ny Ministera mba nijerena ny fomba hahafahana miompy azy io any amin’io toerana io. Marihina fa toerana maro no efa ahitana mpandraharaha misehatra amin’izy io izay hita amin’ny velaran-tany mirefy 250 hektara. Ao anatin’izany ny ao Saint Augustin any amin’ny Distrikan’ny Toliara II. Miompy ity karazana hazan-drano ity amina velaran-tany mirefy 150 hektara ireo mponina any an-toerana. Isan’ny fihariana tena mitondra tombony betsaka ho an’ireo mponina sy ireo mpandraharaha any an-toerana io sehatra iray io. Izany indrindra no hanapariahana azy. Tanjona ao anatin’izany ny hamorona asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy manodidina ny Baie de Narinda.
Mahatratra 2 tapitrisa mahery ny kilao
Ny firenena aziatika no tena mpanafatra sy mpanjifa itony dingadingana itony ary ihany koa mahavita mividy lafo izy ireo. Raha ny fanazavan’ity Minisitra ity hatrany dia mahatratra 500 euros na 2 500 000 ariary ny kilao amin’ireo karazany tena tsara sy tsy dia fahita firy. Azo lazaina araka izany fa afaka hanampy betsaka amin’ny velon-tenan’ireo mpanjono ity sehatra iray ity. Isan’ny tanjona hafa ihany koa ny hampiakatra ny vola hampidiriny ao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Marihina ihany koa fa manondrana ity karazana hazan-drano ity hatramin’ny 400 taonina i Madagasikara.