• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mbola goavana ny dingana miandry ny fanamboaran-dalana RN 10 sy RN 13

03/01/2025 15:28 © Moov

Tafiditra tao anatin’ny lahatenin’ny Filoham-pirenena tamin’ny faran’ny taona 2024 ny mikasika ny lalam-pirenena fahafolo (RN 10) sy fahatelo ambiny folo (RN 13). Raha ho raisina amin’ity taona ity ny RN13 dia mbola dingana maro no miandry. Mbola lava ihany koa ny fanarenana ny RN 10.

65% ny asa vita amin’ny RN 13

Tao anatin’izany lahateny izany no nanamarihan’ny Filoham-pirenena fa hotokanana amin’ity taona ity io RN 13 io. Nanamafy araka izany ny Ministeran’ny asa vaventy, izay nilaza fa ny 148 km mampitohy ny faritra Androy amin’ny faritra Anôsy dia efa vita ny 65% amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia mbola misy lalana mirefy 383 km tsy voaresaka ; mampitohy an’ Ihosy, Betroka ary Ambovombe. Tao anatin’izany fanamarihana izany anefa no nanamafisany fa any amin’ny volana septambra any ho any no ho vita tanteraka io lalana io ary ho tokanana aoriana kelin’izay. Miandry fatratra izany fanamboarana izany ny mponina any amin’iny faritra io amin’izao fotoana izao. Ny lalana rahateo no isan’ny mitondra fampandrosoana amin’ny faritra iray ka izay no maha-laharam-pahamehana azy io saingy mbola azo lazaina ho alavitra ny dingana amin’ny fanamboarana azy manontolo.

Mbola betsaka ny asa eny amin’ny RN 10

Voalaza tao anatin’ny kabary ihany koa ity fanarenana ny RN 10 ity. Nanazava ny avy ao amin’ny Ministera fa efa miroso ny asa ary mbola tena betsaka ihany koa ny tsy vita. Ity lalana ity izay hampifandray an'Andranovory sy Ambovombe. Mandalo amin’ireo tanàna lehibe toa an’i Betioky, Ejeda, Ampanihy, Beloha ary Tsihombe, ka hisy fanatsarana lehibe amin'ny alalan’ny fandrakofana tara. Mizara 4 ny asa, ary ny 2 amin’ireo, eo anelanelan’i Ampanihy (PK 215+700) sy Beloha (PK 308+600) mirefy 92,90 km, sy mampifandray an’i Beloha (PK 308+600) sy Ambovombe (PK 420+366) mirefy 111,77 Km no hanomboka afaka herinandro vitsivitsy taorian'ny fanomezana ny antontan-taratasy ahafahana manomboka ny asa hoan’ireo orinasa ny volana desambra lasa teo. Hanaovana antso-tolobidy amin’ity fiandohan’ny taona 2025 ity kosa ny ampahany ambiny, mampifandray an’ Andranovory-Ambatry (PK 4+000-PK 101+990) mirefy 97,99 km, sy mampifandray an’ Ambatry-Ampanihy (PK 101+990-PK 215+700) mirefy 113,710 km.
Tsara moa ny manamarika fa tena hanampy amin’ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fampandrosoana ny faritra maro any Atsimo ny fanamboarana ireo fotodrafitrasan'ny lalana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires