• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Kabarin’ny Filoham-pirenena : Hisy ny paikady hanatrarana hatramin’ny 8% ny tahan’ny hari-karena faobe

02/01/2025 12:10 © Moov

Nahatratra 4.4% ny taha-piakaran’ny hari-karena faoben’ny Madagasikara ny taona 2024 teo, hoy ny Filoham-pirenena. Nametraka paikady samihafa izy hahafahana mampiakatra izany hatramin’ny 8%, nandritra ny lahateny nataony tamin’ny famaranana ny taona 2024 iny. Lohalaharana tamin’izany ny fambolena sy ny momba ny fitrandrahana volamena.

Hampiakatra ny famokarana vary eto an-toerana

Isan’ny paikady lehibe indrindra amin’io tanjona napetrany io ny fampandrosoana ny lafiny fambolena vary. Tanjona ao anatin’izany moa raha tsiahivina dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Eo ihany koa ny fampiakarana ny vola miditra amin’ny tokantrano tsirairay ary ny fampiakarana, indrindra, ny harikarena faobe. Raha ny sehatry ny vary manokana dia naohamafisiny fa efa maro ny paikady noraisina. Isan’izany ny fampiasana ny teknolojia efa nahitam-bokatra tany ivelany ary hampifanarahana amin’ny toetr’andro sy toe-tany eto Madagasikara. « Raha 3 taonina isaky ny hektara no vokatra azo amin’izao fotoana izao dia azontsika hatao ny mampiakatra izany ho 7 hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara. Amin’ny alalan’ny fomba fambolena vaovao sy ireo teknolojia ireo ary ny masomboly sy zezika mendrika izany », hoy hatrany ny Filoha. Isan’ny vina ao anatin’izany ihany koa ny ho lasa firenena sompitry ny vary eto amin’ny Ranomasimbe Indianina sy ny Koantinanta Afrikanina. Raha tsiahivina mantsy dia firenena fahatelo mpamokatra vary be indrindra eto afrika i Madagasikara, aorian’i Egipta sy Nizeria. Mifandray amin’izany ihany koa ny fananganana orinasa samihafa hahafahana mamokatra ireo vokatra ilaina amin’ny andavan’andro (PPN) eto an-toerana ihany.

Toeram-pikirakirana volamena

Isan’ny paikady iray mbola nambaran’ny filoham-pirenena ihany koa ny fananganana toeram-pikirakirana volamena (raffinerie aurifère). « Hanangana io toerana io isika hahafahana manamboatra or monétaire 1 oz aloha ; sy lingots d’or malagasy. Fepetra ilaina izy io hahafahana manaraka ny fanondranana rehetra satria misy laharana avokoa ireto farany », hoy hatrany ny tenany, nandritra io lahateny io. Tanjona ao anatin’izany ny fanaraha-maso ireo harena voajanaharin’ny firenena malagasy ireo. Nanambara izy fa hampiditra vola vahiny betsaka ao amin’ny Banky Foibe izy io ary ihany koa hampiditra hetra betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Fomba iray hahafahana manafoana ny fanondranana antsokosoko sy ny kiantranoantrano ihany koa izany, hoy ny fanazavana. Raha ny vinan’ity Filoham-pirenena ity dia amin’ity taona 2025 ity ny fananganana azy io ; sady hanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena.

Lire la suite

Articles Similaires