• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo France La Réunion
Image
Vaovao

Toetr’andro : Misy faritra telo arahi-maso ao amin’ny Ranomasimbe Indianina

02/01/2025 09:08 © Moov

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy faritra telo arahi-maso ao amin’ny Ranomasimbe Indianina amin’izao fotoana izao, hoy ny Foibe Mpamantatra ny toetry ny andro, Météo France- La Réunion. Hatahorana hivadika ho rivo-doza.

Ahitana roa ao Avaratra-Atsinanan’ny Madagasikara

Manara-maso fatratra ireo faritra telo mety hiova ireo ny manam-pahaizana momba ny toetr’andro ao Chaudron. Raha ny fanazavana dia ny roa amin’izany dia ao Avaratra-Atsinanan'i Madagasikara ary ny fahatelo, any atsinanan'ny Mascareignes. Nanazava kosa izy ireo fa mbola tsy misy ny ahiana aloha amin’izao fotoana izao. « Milamina aloha ao anatin’ny dimy andro ho avy. Tsy misy ny filazana loza mivantana ho an’ny tany misy olona », hoy ny fanazavana hatrany. Nanamarika ireo sampana mpamantatra ny toetr’andro fa lasa aloha ny vanim-potoan’ny rivo-doza tamin’ity taona 2024-2025 ity ary mijanona ho olana lehibe izany. Amin’izao fotoana izao kosa anefa dia manara-maso akaiky ireo faritra telo hitan’ny Météo France La Réunion ireo avokoa ny sampana mpamantatra ny toetr’andro amin’ireo nosy manodidina rehetra.

Hisy orana tandrifin-drahona

Manoloana izay fanaraha-maso izay dia milaza ny hisian’ny orana tandrifin-drahona ho an’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana ary ny morontsiraka afovoany andrefan’ny nosy ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny faritra Sava, Analanjirofo, Ambatosoa ary Toamasina. Eo ihany koa ny faritra Sofia, Boeny, ary Melaky. Etsy ankilany dia ho maina amin’ny ankapobeny ny afovoan-tany, atsimo, atsimo atsinanana. Hisy fiakarany kosa ny maripana ambony saika manerana an’i Madagasikara. Mety hahatratra hatramin’ny 37°C izany ary mety ho toy izay hatrany aloha ao anatin’ny telo andro. Manoloana izany anefa dia miantso fahamailoana ny eny an-dranomasina ny mpamantatra ny toetr’andro na tsy misy aza ny filazana fampitandremana manoloana izany fanahiana izany.

Lire la suite

Articles Similaires