• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wawasalegy
Image
Vaovao

Réveillon : Fahombiazana ny an'ireo mpikarakara lanonana

01/01/2025 20:48 © Moov

Saika "guichet fermé" avokoa ireo trano fandraisam-bahiny lehibe nikarakara "Nuit de la Saint-Sylvestre" tamin'ny 31 desambra 2024. Na dia eo aza ny fiakaran'ny vidim-piainana, tsy nahasakana ny fianakaviana maro nisafidy hifety be izany.

100 000 ariary ny vidim-pidirana ambany indrindra

Saika nanolotra "buffet gastronomique" avokoa ireo mpikarakara lanonana. Mazava ho azy, tsy misaraka amin'ny sakafo ny "animation" izay nataona mpanakanto na DJ. Noho izany, iray hetsy ariary isan'olona ny vidim-pidirana ambany indrindra. Nisy mihitsy aza moa ireo nihoatra ny 300 000 ariary isan'olona ny "billet". Amin'ny ankapobeny dia samy mividy ny zava-pisotro izay tiany ho sotroina ny tsirairay. Araka izany, tsy vitsy ireo fianakaviana nandrany an-tapitrisany tamin'ny alina nandraisana ny taona vaovao 2025 iny. Tsy vitan'ny vidim-pidirana tamin'ny fety mantsy no nandaniana vola fa teo ihany koa ny fitafiana, ny kojakoja isan-karazany, ny fikarakarana vatana sy ny fitaterana. Araka ny fanadihadihana natao tamina fianakaviana kely iray dia efa misy vola tahiry natokana ho an'ny fetin'ny faran'ny taona mihitsy ny azy ireo isam-bolana. Fotoana tena manan-danja sady fampifalifaliana ny ankohonana hono mantsy ny fandraisana ny taona.
Tsara ny manamarika fa nisy ny ankabeazan'ireo toeram-pandihizana dia tsy naka vidim-pidirana. Na nisy aza izany dia 10 000 na 20 000 ariary isan'olona. Samy mividy ny sakafo sy ny zava-pisotro sahaza azy kosa ny rehetra.

Volana janoary, volana lava indrindra

Miisa 31 ny andro amin'ity volana janoary ity. Lava tokoa izany satria ny ankamaroan'ny olona dia nandany volabe tamin'ny fety lasa teo. Mbola maromaro ihany koa ireo adidy tsy maintsy atrehina, toy ny famangiana havana sy ny fivoriam-pianakaviana. Ny filàna amin'ny andavanandro nefa sarotra ihany ny hanova azy. Tsy vitsy ireo tafidi-trosa noho izany rehetra izany.
Amin'ny ankapobeny, mihena ny vidin'entana (ankoatra ireo sakafo sy entana ilaina amin'ny andavanandro) rehefa volana janoary toy izao. Tsy vitsy ireo magazay sy mpivarotra tsotra manintona mpividy amin'ny alalan'ny fampidinana ny vidin'entana. Tsy dia miantsena loatra intsony mantsy ny olona noho ny fahavitan'ny fety. Fotoana fanararaotana ity volana ity hividianana entana isan-karazany ho an'ireo izay manana fahafahana amin'izany.

Lire la suite

Articles Similaires