• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnp-Newscom-Sipa
Image
Vaovao

Donald Trump : Voasazy handoha 5 tapitrisa dolara amin'i Elizabeth Jean Carroll

01/01/2025 20:22 © Moov

Mbola olom-pirenena toy ny rehetra ihany i Donald Trump, na dia handray ny toerana maha-filoham-pirenen'i Etazonia azy aza, amin'ity volana janoary 2025 ity.

Tantara nitranga efa ho telopolo taona lasa ny nitorohan'i Elizabeth Jean Carroll, mpanao gazety sady mpilalao horonantsarimihetsika teo aloha, an'i Donald Trump.

Fanamelohana

Talohan'ny fampahafantarana ny filatsahan'i Donald Trump tamin'ny fifidianana filohampirenena no efa nisy fanamelohana ofisialy mikasika azy. Araka ny nambaran'ny avy ao amin'ny Tribonalin'i Manhattan ny volana may 2024, voaheloka ho nampihatra herisetra ara-nofo tamin'i Elizabeth Jean Carroll, mpanao gazetin'ny Magazine Elle, i Trump.
Raha ny tantara, tamin'ny taona 1996 no nisian'ny "herisetra ara-nofo" tanatina "cabine d'essayage" tamina toeram-pivarotana lehibe iray tany New-York. Nanampy ny vesatra niampangana an'i Donald Trump ihany koa ny "fanalam-baraka" an'i Elizabeth tamin'ny taona 2022. Araka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana amerikana ny 30 desambra 2024 lasa teo, mandoa vola mitentina 5 tapitrisa dolara amin'i Elizabeth Jean Carroll i Donald Trump.

Fandraisana ny fitondrana

Amin'ny maha-mpanefoefo an'i Donald Trump, heverina fa tsy misy olana aminy ny didy navoakan'ny Fitsarana. Efa ny mikasika ny fiainam-pirenena rahateo no tena ifantohany. Amin'ny 20 janoary ho avy izao mantsy no hanatanteraka ny fianianany izy, ka hiverina ao amin'ny "Maison Blanche" indray. Anisan'ny vaindohan-draharahan'i Donald Trump ny fandroahana ireo mpifindra monina tsy manara-dalàna ao Etazonia. Manahy mafy ireo fepetra vaovao ho raisiny ihany koa ireo LGBT.

Lire la suite

Articles Similaires