• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fiovan’ny toetr’andro : Taona niainana hafanana mahery vaika indrindra ny taona 2024

31/12/2024 14:14 © Moov.Mg

Taona nafana indrindra hatramin’izay ny taona 2024, araka ny nambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny toetry ny andro (OMM). Folo taona niainana hafanana izao tontolo izao, ka tombanana ho tamin’ity taona madiva hivalona ity no nahery vaika indrindra tamin’izany.

Hafanana be

Mihatsapa hatrany, manerana izao tontolo izao, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Mihamiakatra hatrany ny tahan’ny entona mpangeja hafanana, ka ahiana ny mbola hiainantsika hafanana be amin’ny ho avy. Noho izany indrindra, nandritra ny hafatra nampitainy ho an’ny taona vaovao, dia nanambara tamin’ny fomba ôfisily ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, António Guterres, fa avy niaina folo taonan’ny hafanana mahafaty ny zanak’olombelona. « Mila miala amin’izao lalana izao isika, tsy afaka ny miandriandry intsony. Amin’ity taona 2025 ity, mila mandeha amin’ny lalana vaovao ny firenena rehetra, ka mampihena araka izay tratra ny entona mangeja hafanana, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tetezamita mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina », hoy izy, tao anatin’ny lahateniny.

Rivo-doza

Niteraka voka-dratsy tamin’ny lafiny maro tokoa ny fiovan’ny toetr’andro, na teo amin’ny lafiny ara-toekarena, na ara-tontolo iainana. Nisy tanàna sasany niharan’ny tondra-drano, nisy firenena hafa niaina hain-tany, mihamahery vaika ny rivo-doza… Isan’ny niaina izany rivo-doza izany i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fandalovan’ireo rivo-doza Cheneso, Freddy sy Gamane, tamin’ity taona ity. Ankoatra ny aina nafoy sy ny fananana rava, dia niantraika tany amin’ny fanabeazana ihany koa ny fandalovan’ny rivo-doza. Nambaran’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), fa ankizy 200 000 isa teto Madagasikara no niharan’ny voka-dratsin’ny fandalovan’ny rivo-doza, noho ny antony samy hafa, toy ny fiakaran’ny rano ka tsy nahafahana namonjy sekoly, ny fahasimban’ny fitaovana, ny faharavan’ny sekoly… « Raha te hanana planeta azo antoka isika, dia izao no fotoana handraisana andraikitra. Andraikitra iombonana izany, andraikitra iraisan’ny maneran-tany », hoy ny sekretera jeneralin’ny OMM, Celeste Saulo, izay miray feo amin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana.

Araka ny tatitra farany navoakan’ny OMM, dia nitarika ny fahafatesan’olona 3.700 manerany-tany, fara-fahakeliny, ny fiovan’ny toetr’andro, ary nitarika ny fifindra-monin’olona an-tapitrisany.

Lire la suite

Articles Similaires