• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

USAID sy MINAE : Manamafy ny fiaraha-miasany eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny famokarana ara-tsakafo

31/12/2024 12:03 © Moov

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), Andriamatoa HAJARISON François Sergio, tao Anosy, ny Tale Jeneralin’ny USAID, Ramatoa Michelle Russell, omaly 30 desambra. Fihaonana nentina nanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny taona vaovao sy ny ho avy rehetra.

Famokarana vary sy fiarovana ara-tsakafo

Fandraisana andraikitra hanatsarana ny seha-pamokarana vary sy ny fiarovana ara-tsakafo eto Madagasikara, io fihaonana io. Ny vary izay foto-tsakafon’ny malagasy ka antony lehibe indrindra hampitomboana ny famokarana azy. Hiompana kokoa any amin’ny faritra atsimo io fiaraha-mientana io amin’ny ankapobeny. Nandritra ny taona maro, ny faritra Atsimo, dia sahirana noho ny tsy fahampian’ny vokatra ara-pambolena. Ho setrin’izany, ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, dia nanomboka tetikasa lehibe hanatanterahana ny “Transformation Agricole” na "Fampivoarana ny Seha-pamokarana", izay iantsorohan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny USAID fa hanohana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa hatrany izy ireo. Tanjon’io fiaraha-miasa io dia mikendry ny hahazoana vokatra mifanandrify amin’ny filàn’ny Malagasy, sy ny tsena Iraisam-pirenena hanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo, ary hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.

Paikady maromaro hiarahana miasa

Tanjona ihany koa ny hahazoana vokatra akotry fanampiny 1 tapitrisa taonina isan-taona amin’ny alalan’ny paikady maromaro. Isan’ny hiarahana miasa ao anatin’izany ny fampitomboana ny velaran-tany fambolena ; ny fanarenana ireo tanimbary simba na nilaozana ; ny famoronana tanimbary vaovao ary ny fampiasana masomboly sy zezika voafantina. Hisy ny fanohanana ny toekarena ifotony amin’ny alalan’ny fanatsarana ny kalitaon'ny vokatra hanaraka ny fepetra takian'ny tsena, fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, fampitomboana ny tetikasa, fanohanana ny tantsaha mpamokatra sy ny fanatsarana ny teknika fambolena.

Lire la suite

Articles Similaires