• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recettes Faciles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « quiche lorraine » matsiro

30/12/2024 16:43 © Moov.Mg

Nahandro iray matsiro afaka aroso atao « entrée chaude » amin’ny taom-baovao ny « quiche lorraine ». Tsy dia be masonkarena be loatra izy ity nefa dia mora karakaraina sy ankafizin’ny maro. Araho eto ary ny fomba tsotra fikarakarana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « quiche lorraine »

-Ronono 60sl ;
-Atody 12 ;
-Lafarina 120g ;
-Crème fraîche 30g ;
-Fromazy 120g ;
-Tongolo 4 ;
-Voatabia 1 ;
-Jambon 400g ;
-Kotomila ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 210°C ny lafaoro.
Kapohana anaty lovia jobo ny atody.
Arotsaka anaty saladier ny lafarina ary levonina moramora amin’ny ronono. Izany hoe sady aroharoana amin’ny fouet. Asiana sira sy dipoavatra.
Alefa anatin’io fangaro io ny atody nokapohana teo. Miaraka kapohana amin’ny fouet mba hifangaro tsara.
Arotsaka manarak’izay ny crème fraîche. Atao mifangaro tsara daholo.
Tetehana madinika ny voatabia, tongolo sy kotomila. Tetehana ho efajoro arak’izay itiavana azy ny jambon.
Hosorana dibera ny lasitra fanaovana « quiche ». Araraka hiparitaka ao ny jambon, voatabia, tongolo ary kotomila voatetika teo.
Rarahana eo ambonin’ireo fangaro atao manarona azy ny fangaro nokarakaraina teo ambony misy ny ronono, lafarina, atody sy crème fraîche teo. Avy eo fafazana fromazy voakiky eo amboniny.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires