Fitantanana ny trangana herisetra : Mpisehatra miisa 26 ao Atsimo Andrefana no nahazo fiofanana
Isan'ny faritra manana taha ambony amin'ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy, na mahavavy, indrindra amin’ny herisetra ara-nofo eo amin'ny zaza, ny Faritra Atsimo Andrefana. Nahazo fiofanana momba ny fandraisana an-tanana ny herisetra ireo mpisehatra any an-toerana.
Karazana herisetra
Araka ny antontan’isa avy amin’ny fanadihadiana fahadimy momba ny fitombon'ny mponina sy ny fahasalamana (EDSMD-V), dia efa tratran’ny herisetra ara-batana, na ara-tsaina avokoa ny 35% amin’ny vehivavy malagasy, nanomboka teo amin’ny faha-15 taonany. Ny 39% amin’ny vehivavy eto Madagasikara ihany koa no nampanambadiana talohan’ny faha-15 taonany, ary ny 12% dia talohan’ny faha-15 taonany, araka ny fanadihadiana MICS2018. Isan’ny ahitana vehivavy sy ankizivavy betsaka misedra ireo karazana herisetra ireo ny any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Tsy mbola mahasahy mitoroka loatra anefa ireo olona niharan’ny herisetra, na ireo olona akaiky azy. Ankoatra ny antony ara-kolontsaina sy ny hena-maso, dia isan’ny antony manakana azy ireo ny fandraisana an-tanana, izay tsy zarizary indraindray. Mety vao mainka manokatra ny ratram-po sy manampy trotraka ny dona ara-tsaina, ny tsy tsy fahampian’ny fahalalan’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny trangana herisetra.
Fenitra iraisana
Niompana tamin’izay fitantanana ny trangana herisetra izay indrindra ny fiofanana nomena ireo mpisehatra momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, izay notontosaina tany amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Mpisehatra miisa 26, avy amin’ny Distrikan’i Toliara, Sakaraha, Betioky et Ampanihy no nisitraka izany fiofanana izany. Nampahafantarina azy ireo, ny momba ireo fenitra iraisan’ny rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana, momba ny fitantanana ireo trangana herisetra raisin’izy ireo an-tanana. Ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny herisetra eo anivon’ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina, niaraka tamin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) sy ny Fianakaviana Sambatra (FISA), no nikarakara ity fiofanana ity, izay niarahana niasa akaiky tamin’ny « Brigade féminine de Proximité » (BPF), eo anivon'ny polisim-pirenena ao Toliara.