Doro tanety sy doro ala : 100 000 ha no ala simba tao anatin’ny fotoana fohy teto Madagasikara
« Samy manana andraikitra ny rehetra amin’ny fiarovana ny ala, ny fambolena, sy ny tanàna amin’ny doro tanety ». Izany no isan’ny fanentanana entin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, manoloana ny firongatry ny doro tanety sy ny doro ala tato ho ato.
Fandorana zava-maniry
Araka ny fampahafantarana nataon’ny Fandaharanasan'ny Firenena mikambana momba ny Sakafo (PAM), izay isan’ny miara-mientana amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, dia 50 hatramin’ny 100 000 ha ny velaran-tany nisy ala simba teto Madagasikara, teo anelanelan’ny faran’ny volana jolay hatramin’ny voalohan’ny volana aogositra 2024. Ny faritra ambanivohitra no tena voakasika, izay ahitana fandorana zava-maniry, toy ny ala sy ny ala maina, izay iniana dorana, na tsia.
Miteraka olana goavana ara-tontolo iainana anefa ny doro tanety sy ny doro ala, toy ny faharavan’ny ala, ny fahasimban’ny nofon-tany, ny fiovan’ny toetr’andro. Manentana ny rehetra mba hiala amin’ity fahazaran-dratsy ity, sy samy handray ny andraikitra tandrify azy avy, mba ho fiarovana ny tontolo iainana, ny ministera voakasika sy ny mpiara-miombona antoka.
Fambolena sy fiompiana maharitra
Tao anatin’ny sarimihetsika iray nataony, dia nanao antso avo tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny olom-pirenena tsy an-kanavaka, ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Ireo mpitondra eny ifotony no niantefan’ny antsony voalohany, mba hanatanteraka fihaonana matetika amin’ireo vahoaka, ka hampahafantatra ny loza ateraky ny doro tanety sy ny fomba hialana amin’izany. Ireo mpitondra fivavahana ihany koa dia nentaniny, amin’ny maha-raiamandreny to-teny azy ireo, mba hitarika ny mpino amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ka hiresaka ny momba izany mandritra ny fotoam-pivavahana.
Ankoatra izay dia nanao antso avo manokana tamin’ireo tantsaha ny minisitra, mba hampitsaharan’izy ireo ny fandorana tanety. « Misy fomba hafa azo antoka kokoa sy mahomby kokoa, hanomanana ny tany hambolena ary tsy mampiasa afo », hoy izy. Nambarany ihany koa fa « mampahia ny omby ny vilona ateraky ny doro tanety ». Nampanantena moa izy fa hanohy ny ezaka amin’ny fampiofanana ny tantsaha momba ny fambolena sy fiompiana maharitra ny fitondram-panjakana. Ny tanora kosa dia nentaniny mba handray andraikitra amin’ny ady amin’ny doro tanety, sy amin’ny asa fanarenana ny ala ary ny fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny ankapobeny.
Notsiahiviny fa voararan’ny lalàna velona eto Madagasikara ny fandoroana ala sy fandoroana tanety, ary efa an-jatony ireo nampidirana am-ponja noho izany.