Fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao : Miisa 229 ireo nandalo teny amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny HJRA
Nahitana fiakarany, toy ny tamin’ny fetin’ny krismasy ihany koa ny olona nandalo teny amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao. Niisa 229 izany, raha ny tatitra avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny serasera ao an-toerana.
Miisa fito ireo namoy ny ainy
Tao anatin’ireo 229 ireo dia miisa 7 be izao no namoy ny ainy. Ny 4 tamin’izany dia maty tao amin’ny hopitaly raha maty tany ivelany kosa ny 3. Etsy ankilany dia isan’ny nanamarika ny antom-pahatongavan’ireo olona teny amin’ny hopitaly ny loza vokatry ny andraikitra sivily, toy ny fifampikasihan-tanana. Miisa 112 izy ireo. Niisa 44 izany ho an’ny 31 desambra raha 68 kosa ho an’ny 1 janoary. Etsy ankilany anefa dia misy antony samihafa ihany koa no nahatogavan’izy ireo teny amin’ny HJRA. Tao ny loza madinika tany an-tokantrano izay niisa 9 ny 31 desambra raha 23 ho an’ny 1 janoary.
Fameloman’aina
Niasa mafy ihany koa tetsy andaniny ny sampana fameloman’aina. Niisa 40 ny fandraisana an-tanana marary raha nampidirina hopitaly ny 11 tamin’izy ireo. Raha ny fanazavana hatrany dia nahitana fiakarany io isa io mihoatra ny tamin’ny taona 2023 izay 32 ihany. Anton’izany tamin’ity taona ity ny fisotroana alikaola diso tafahoatra ka nampiditra hopitaly lehilahy 6 sy vehivavy 1. Teo ihany koa ny fanapoizinana ara-tsakafo tamina vehivavy 1. Mbola isan’ny antony ihany koa ny fikasana famonoan-tena nataona lehilahy 3 sy vehivavy 1.
Lozam-pifamoivoizana
Saika hita matetika rehefa fety toy izao ihany koa ireo karazana lozam-pifamoivoizana maromaro. Nandritra ireo fety ireo dia nahavoaisa loza 34 ny avy ao amin’ny HJRA. Isan’izany ny loza nitambarana olona maromaro tetsy Mandrimena, maty ny olona 1 ary efatra hafa nahazo fitsaboana. Tamin’ity 2 janoary ity, dia mbola nisy ihany koa ny loza teo amin’ny Galana Tsaralalana izay naharatrana olona miisa 5.