Fahasalaman’ny zaza : Hetsika maro no vita, ho an’ny taonan’ny vaksiny 2024
Natokan’ny fitondram-panjakana malagasy ho taonan’ny vaksiny ity taona 2024 ity. Araka izany, maromaro ireo hetsika notanterahina mba hanatrarana ny tanjona fanaovam-baksiny ny ankizy eto Madagasikara.
Toby fitahirizana vaksiny
Nisongadina sy nanamarika voalohany ity taonan’ny vaksiny ity ny fitokanana ny toby fitahirizana vaksiny (dépôt national de vaccins) eny Ivato. Nitokana ity ivon-toerana nasiônaly ity ny filoha Andry Rajoelina mivady. Isan’ny nanatrika izany ihany koa ny solon-tenan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, izay nandalo teto amintsika tamin’io fotoana io, toy ny talem-paritry ny OMS ho an’i Afrika, ny Dre Matshidiso Moeti sy ny talem-patitry ny UNICEF aty Afrika Atsinanana sy Atsimo, Etleva Kadilli. Velaran-tany mirefy 4 500 m² no iorenan’ny fotodrafitrasa, izay ahitana birao fiasana, ankoatra ilay toeram-pitahirizana vaksiny. Araka ny fantatra dia izy ity no toby fitahirizana sy fandrindrana vaksiny lehibe indrindra aty Afrika.
Nandritra ny lahateniny, tamin’ny fanokanana ity fotodrafitrasa ity, dia nilaza ny filohan’ny Repoblika, fa 35% ny tahan'ny fanaovam-baksiny teto Madagasikara, telo taona lasa izay, fa efa tafakatra 86% izany. Tanjona kosa ny hanatrarana ny mari-drefy iraisam-pirenena ho 90%-n’ny tahan'ny fanaovam-baksiny. Tafiditra ao anatin’ny paikady hampitomboana io tahan’ny ankizy vita vaksiny io ny fanatanterahana ireo hetsika fanaovam-baksiny faobe, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, toy ny Alliance Gavi, ny OMS sy ny UNICEF, teo ambany fitarihan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Famonjena ny ain’ny zaza malagasy
Ny 14 mey hatramin’ny 17 mey 2024 no notanterahina ny hetsika fanaovam-baksiny miady amin’ny lefakozatra voalohany, ho an’ity taona 2024 ity. Ny 15 hatramin’ny 19 ôktôbra kosa dia nisy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny kitrotro ho an’ireo zaza 9 hatramin’ny 59 volana ; ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny lefakozatra ho an’ireo zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana ; ary ny fanatrarana ny fanaovam-baksiny ho an'ireo zaza 12 volana hatramin’ny 59 volana, izay mbola tsy nisitraka izany mihitsy (zéro dose). Rtoa Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena no reny mpiahy ireo hetsika fanaovam-baksiny ireo.
Hetsika lehibe farany, izay nentina nanamarihana ity taonan’ny vaksiny ity, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe : « Humainement possible – Vaccination pour tous », izay nosokafana teny amin’ny lapan’Andafiavaratra ny 19 novambra 2024. Tanjon’ity fampirantiana, teo ambany fiahian-drtoa Mialy Rajoelina ity, ny hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny, ho famonjena ny ain’ny zaza malagasy. Notsiahivin'ny vadin’ny Filoham-pirenena, nandritra ny lahateniny, fa maro ireo ezaka vita nandritra ity taona 2024 ity, izay taonan’ny fanaovana vaksiny. Anisan'izany ny famongorana ny lefakozatra eto Madagasikara, ny fanatrarana hatramin’ny 73% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ireo zaza "zero dose" sy ny fanefitry ny kitrotro izay nahenika zaza maherin'ny 400.000.
Tsy ny zaza ihany fa ireo reny mitondra vohoka ihany koa dia nentanina mba hanatona tobim-pahasalamana sy hisitraka vaksiny izay miaro amin’ny tetanosy sy amin’ny difteria.